Toekarena

Orinasa Malagasy Tsy misy ary tsy ampy ny fiofanana


  • Alarobia 09 Janoary 2019

Olana tanteraka eto Madagasikara ny tsy fahampiana sy tsy fisian’ny fampiakarana ny faripahaizana sy ny fahaiza-manaon’ny isam-batan’olona eo anivon’ny orinasa.

 

 

 

Tokony hiainga any amin’ny mpitantana ka hatrany amin’ny mpiasa madinika mihitsy ny mandray fiofanana arak’asa. Tena ilaina izany ary azo atao tsara hampiroboroboana ny toekarena sy hanatsarana ny fandraharahana eto Madagasikara. Zara raha misy ny sehatra ahitana fanofanana ary na ny mpampiofana aza dia tokony hampitomboina araka ny filana misy eo amin’ny orinasa eto amin’ny firenena. Mila ezaka be ny fahaiza-manao ara-teknika, ny fampivoarana ny maha olona izay harena eo anivon’ny orinasa (capital humain) mba tena hiteraka fampandrosoana ara-toekarena eto amin’ny firenena. Hita ho sakana hatrany koa aloha ny lafiny saram-piofanana satria misy hatrany ny fandraisana anjaran’ny orinasa amin’ny fampandehanana sy ny zavatra mety ilaina mandritra ireny fampiofanana ireny. Maro anefa ny orinasa sahirana ara-bola ary misy ny manana fa tsy te-hahalala fotsiny izao. Na izany aza dia tombony hatrany ny fanarahana fiofanana satria ahafehezana sehatra maro isan-karazany. Ao ny resaka  fahaiza-mitantana, ny fahaizana mivarotra, ny serasera, ny fitantanam-bola ary ny fahaiza-mitodra ny mpiasa izay tena ilaina eo anivon’ny orinasa.

          

Tsirinasolo

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Toekarena

  • Bambou eto Madagasikara
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Seha-pihariana mbola malalaka saingy

  • Orinasa KRAOMA
  • Talata 22 Septambra 2026

Vonona hiara-miasa sy

  • Ralaiarimanana
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

«Mila tsy miankin-doha intsony i Madagasikara»

  • Fitantanana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

sy fampisambolam-panjakana

  • Kraomita malagasy
  • Talata 08 Septambra 2026

Misokatra amin'ny

Hijery ny tohiny
FTT