Toekarena

Orinasa Malagasy Salone sy Somacou Nankasitraka ny fanapahan-kevitry ny ANMCC


  • Talata 15 Janoary 2019

Ny vokatry ny fandalinan’ny rafitra mpanao fanadihadiana amin’ny lalàna momban’ny fifaninanana (ANMCC) dia namoaka ny taha fanatataovana haban-tseranana ho an’ny fanafarana paty, savony ary bodofotsy avy any ivelany izy ireo.

 

 Anisan’ny afa-po tamin’ny fanapahan-kevitra ny Orinasa Malagasy mamokatra paty (Salone) sy ny mpanamboatra bodofotsy (Somacou). Nizaka ny fahasahiranana mandritra ny taona maro izahay hoy ny orinasa SALONE sy ny SOMACOU ary rariny raha mba hisitraka ny tombony amin’izany fanapahan-kevitry ny ANMCC izany. Raha ny orinasa SALONE manokana dia nanambara fa efa mba misy iainana kely ny fisian’ny fanatataovana haban-tseranana 30% amin’ny vokatra avy any ivelany. Amin’izany indrindra hoy izy ireo no mba hiezahana hanitatra amin’ny fahafahana mamokatra satria hatramin’izay dia kely loatra ny anjara tsena (part de marché) manoloana ny fitobahan’ny entana avy any ivelany. Tetsy andaniny dia nilaza ny avy ao amin’ny SOMACOU fa hitombo ny famokarana sy ny tsena anatiny ary ny famokarana asa noho io fanatataovana haban-tseranana 41% nataon’ny ANMCC io. Dingana lehibe ho fampandrosoana sy ho fampiroboroboana ny orinasa Malagasy ity fepetra fiarovana (mesure de sauvegarde) hampitoviana lent any fifaninanana. Nanambara ihany moa ny teo anivon’ny ANMCC FA hisy ny fifampifanatrehana sy ny fifandresen-dahatra amin’ny andaniny sy ny ankilany (audience publique) amin’ny fiandohan’ny volana febroary. Ny indostria Malagasy nangataka ny fepetra sy ny mpanafatra ary ny mpandefa ny entana mankaty Madagasikara no hifanatrika amin’izany.

Tsirinasolo

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Toekarena

  • Bambou eto Madagasikara
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Seha-pihariana mbola malalaka saingy

  • Orinasa KRAOMA
  • Talata 22 Septambra 2026

Vonona hiara-miasa sy

  • Ralaiarimanana
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

«Mila tsy miankin-doha intsony i Madagasikara»

  • Fitantanana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

sy fampisambolam-panjakana

  • Kraomita malagasy
  • Talata 08 Septambra 2026

Misokatra amin'ny

Hijery ny tohiny
FTT