Toekarena

Orinasa madinika sy salantsalany Mila tosika mafy, hoy ireo mpisehatra


  • Alakamisy 02 Aogositra 2018

Ho tontosaina etsy amin’ny Carlton Anosy rahampitso sy rahafakampitso ny hetsika “Salon PME et Startups” na ny varotra fampirantiana momba ny orinasa madinika sy salantsalany mba hahafahana manokatra bebe kokoa ny seham-pivelaran’izy ireo, raha ny fanazavana, tetsy Antsakaviro omaly.

Araka izany dia hisy ny varotra sy fampahafantarana ireo mpandray anjara manodidina ny 50 isa. Ankoatr’izay dia hisy koa ny fifampizarana traikefa ho fanapiana ireo mpandraharaha tsirairay sy ny orinasany avy ary velan-kevitra hametrahana ny politika tokony hitondrana izay tontolon’ny orinasa madinika sy salantsalany eto amintsika izay, araka ny fanazavan’ny mpikarakara. Tsy ampy tosika, hoy ny tenany ny orinasa madinika sy salantsalany eto amintsika ka tery ny lalam-barony. Be ny olana ara-bola satria dia maro ireo orinasa tsy ara-dalana raha toa ka miisa 3000 ireo ara-dalana. Na resaka fambolena sy fiompiana na teknolojia na dokambarotra sy ny hafa marobe dia ho hita eny an-toerana avokoa, hoy hatrany ny mpikarakara.

J. Mirija


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Toekarena

  • Hetsika « MUSTIS »
  • Alakamisy 23 Aprily 2026

iraisan’i Madagasikara-Etazonia

  • Fampandrosoana ny firenena
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Mila fanavaozana goavana

  • Fitrandrahana harena
  • Talata 14 Aprily 2026

an-kibon’ny tany

  • Fampandrosoana an’i Madagasikara
  • Talata 07 Aprily 2026

Tsy afa-miala amin’ny fanovàna

  • Trosa ivelan'i Madagasikara
  • Talata 31 Martsa 2026

Fifanarahana 13 nitrosana

  • Fisitrahana ny FEC sy FRD
  • Talata 31 Martsa 2026

Tonga manao fitsirihana eto indray ny iraky ny FMI

Hijery ny tohiny
FTT