Toekarena

Orinasa Kraomita Malagasy Miha ratsy ny tantara


  • Alatsinainy 12 Oktobra 2020

Taorian’ny fandalovan’ny tale jeneralin’ny orinasa Kraomita Malagasy, Nirina Rakotomanantsoa, tany amin’ny toeram-pitrandrahana any Brieville, herinandro mahery izay,

 

 ka saika nanamparan’ireo mpiasa tany an-toerana ny hatezerany tamin’ity farany sy ny ankohonany dia tsy fantatra mazava intsony hatreto ny tena fandehan’ity orinasa mpitrandraka sy mpamokatra kraoma ity. Tsiahivina fa tsy nahafa-po ireo mpiasa tamin’izay fotoana izay ny antony tsy mbola hahatongavan’ny karaman’izy ireo 9 volana mandrak’anio. Tsy sahy nilaza vaovao mikasika ny fipetrak’io karama io moa ity tale jeneraly ity raha nigadona teo Antananarivo tamin’ny herinandro ary nilaza fa aleo mihitsy aloha miandry izany ho voarotsaka anatin’ny kitapom-bola ahafahana mitsinjara azy. Raha iverenana fohy ny savorovoro mikasika ity orinasa miankina amin’ny ampahany amin’ny fanjakana ity, izay voasokajy ao anatin’ny antsoina hoe “société anonyme” na S.A dia teo ny ahiahina fanodikodinam-bola mitentina 505 miliara fmg na 101 miliara ariary nataon’ireo mpitantana ny orinasa teo aloha. Naiditra am-ponja vonjimaika vokatr’izay ny tale jeneralin’ity orinasa ity teo aloha, Arsene Rakotoarisoa, ny 26 janoary 2020 teo. Ankoatr’izay moa dia isan’ny voatonotonona tao ambadik’ity raharaha ity koa ireo olon’ny fitondrana teo aloha toy ny minisitry ny raharaham-bahiny tamin’izany Henri-Rabary Njaka sy ny vadin’ny filoham-pirenena, Voahangy Rajaonarimampianina. Ireto farany izay efa any am-pitan-dranomasina avokoa saingy ho an’ireo mpiasa sy ny tohin’ny fiveloman’ity orinasa ity kosa no hita ho miha ratsy ny tantarany raha toa ka ny volana jona 2019 no fantatra farany fa mamokatra kraoma 800 taonina isan’andro ny orinasa.

J. Mirija

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Toekarena

  • Bambou eto Madagasikara
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Seha-pihariana mbola malalaka saingy

  • Orinasa KRAOMA
  • Talata 22 Septambra 2026

Vonona hiara-miasa sy

  • Ralaiarimanana
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

«Mila tsy miankin-doha intsony i Madagasikara»

  • Fitantanana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

sy fampisambolam-panjakana

  • Kraomita malagasy
  • Talata 08 Septambra 2026

Misokatra amin'ny

Hijery ny tohiny
FTT