Toekarena

Orinasa kanadianina mitrandraka ao Ambatolampy Ara-dalàna, hoy ny minisitera


  • Alatsinainy 02 Oktobra 2017

Olona 4 ihany sisa no mitsipaka ny fitrandrahana Grafita ataona orinasa kanadianina iray ao Ambatolampy, Ambilaninony, hoy ny tompon’andraikitra iray avy eo anivon’ity orinasa ity.

 Efa voaloa daholo ny vola amin’ireo tompontany voakasiky ny fitrandrahana. Hiezaka ny hijery ny lafiny sosialy toy ny fanaon’ireo orinasam-pitrandrahana rehetra izay mitrandraka amina toerana iray toy izao izahay, hoy ity tomponandraikitra ity, ary efa miainga izany, toy ny tetikasa fananganana lavadrano sy kianja filalaovam-baolina ho an’ireo tanora. Mpianatra miisa 500 ihany koa no efa voazara fitaovam-pianarana hiatrehan’izy ireo ny fidiran’ny mpianatra. Nanamafy moa ny avy eo anivon’ny minisiteran’ny harena ankibon’ny fa ara-dalàna ny fitrandrahana ataon’ity orinasa ity. Tsy voazava kosa hatreto ny antony nanakanana ireo mpanao gazety tsy hiditra tao amin’ny toeram-pitrandrahana ny herinandro lasa teo.

J. Mirija

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Toekarena

  • Bambou eto Madagasikara
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Seha-pihariana mbola malalaka saingy

  • Orinasa KRAOMA
  • Talata 22 Septambra 2026

Vonona hiara-miasa sy

  • Ralaiarimanana
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

«Mila tsy miankin-doha intsony i Madagasikara»

  • Fitantanana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

sy fampisambolam-panjakana

  • Kraomita malagasy
  • Talata 08 Septambra 2026

Misokatra amin'ny

Hijery ny tohiny
FTT