Toekarena

Orinasa Jirama Tratran’ny sabôtazy goavana…


  • Sabotsy 29 Aprily 2017

Tao anatin’ny andro vitsy izay, dia miverina indray ny fahatapahan-jiro eto Antananarivo Renivohitra sy ny manodidina.

 Tsy hay na fifanandrifian-javatra fa taorian’ny nandraisan’ny Tale Jeneraly vaovao Jaomiary Olivier Aimé, vao andro vitsy monja ny asany no nisian’ny olana. Tapaka in’efatra ny jiro omaly ny maraina tamina faritra maromaro teto an-drenivohitra. Ny teny Itaosy sy ny manodidina dia nanomboka tamin’ny 6 ora maraina ka hatramin’ny tamin’ny 10 ora sy sasany antoandro ny fahatapahana. Raha ny fanazavana efa nataon’ny adminisitratera delegen’ny Jirama teo aloha Lantoniaina Rasoloelison anefa, izay efa lasa minisitra ankehitriny, dia manana ambim-bava aza ny Jirama. Nisy ihany koa ny fandatsahana orana voatr’olombelona nanomboka ny 25 aprily ary nifarana omaly, izay nambara fa natao mba hanampiana ny tosiky ny rano avy any Andekaleka sy Tsiazompaniry ary Mantasoa. Ka inona indray no mbola mahatonga ny delestazy.

FEHEZIN’NY KARANA

Tsy olana ara-bola fotsiny ny mahazo ny Jirama fa fitantanana sy fanapahan-kevitra politika, ka olona mafy loha sy sahy miala ao anatin’ny ziogan’ny vahiny ihany no afaka mamaha ny olana, ary manana anjara toerana lehibe amin’izany ny fanjakana, izay tompon’ny teny farany amin’ny politika hapetraka momba ny angovo sy io orinasam-panjakana io manokana. Tratry ny tsindrin’ny  vahiny ve ny orinasam-panjakana Jirama, ka tsy afa-manoatra amin’ny resaka famahana ny olana momba ny Angovo eto Madagasikara ? Izy ireo no tompon’ny solika sy mbola mampanofa fitaovana sy mivarotra angovo amin’ny Jirama. Voalaza aza fa sahy mampiasa vola be mihitsy izy ireo hisakanana ny resaka famokarana angovo amin’ny endriny hafa izay tsy mila solika, toy ny fitrandrahana ny rian-drano na ny fampiasana ny herin’ny masoandro satria simba ny tsena sy ny bizina ataon’izy ireo eto amin’ny firenena. Anisan’ny hampiasain’izy ireo ny mpitantana ka matetika no ao ambadiky ny fanendrena tompon’andraikitra ambony eo anivon’ireo rafitra mifandraika amin’ny resaka Jirama na ny minisiteran’ny angovo sy akoran’afo. Iza no ao ambadiky ny minisitra vaovao Lantoniaina Rasoloelison sy ny Tale Jeneralin’ny Jirama Jaomiary Olivier Aimé ? Ny asa sy ny fanapahan-kevitra horaisin’izy ireo no hahafahan’ny rehetra mamaly ny fanontaniana. Samy miandry ny rehetra.

Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Toekarena

  • Bambou eto Madagasikara
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Seha-pihariana mbola malalaka saingy

  • Orinasa KRAOMA
  • Talata 22 Septambra 2026

Vonona hiara-miasa sy

  • Ralaiarimanana
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

«Mila tsy miankin-doha intsony i Madagasikara»

  • Fitantanana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

sy fampisambolam-panjakana

  • Kraomita malagasy
  • Talata 08 Septambra 2026

Misokatra amin'ny

Hijery ny tohiny
FTT