“Notre priorité est votre bien être naturellement.” Ny hatsaranao amin’ny alalan’ny fampiasana ireo vokatra natoraly no filamatry ny orinasa HBSN na « Huile de beauté et soins naturels ».
Nikatsaka ary mbola hikatsaka kalitao tsy mena-mitaha ary tsara lavitra noho ireo vokatra vahiny aza no tanjony amin’ny asa ataony rehetra. Mikajy ny tontolo iainana sady mandray anjara amin’ny fampandrosoana maharitra. Naorin’ny profesora Jean Noel Razafintsalama izay manana ny mariboninahitra “Grand croix de 2éme classe de l’ordre National” sy “Commandeur de mérite de Madagascar” ny taona 1998 ny HBSN. “Ny Naturophatie, Homéophatie, Aromathérapie, Aculifting, Acupuncture, Reiki, Radiesthésie, Magie et Théurgie, Manipulation des sciences occultes” dia samy hananan’ny orinasa manampahaizana avokoa. Mamokatra sy mivarotra vokatra hikojana ny endrika amam-bika voajanahary sy voamarina amin’ny fampiasana ireo akora natoraly voafantina manerana ny nosy, araka izany ny HBSN. Manankarena zava-boary manana ny mampiavaka azy rahateo ny nosintsika. An’arivony ireo karazan-java-maniry sy zava-manan’aina manana ny taha-pihavahany hatrany amin’ny 95%. Mampalaza an’i Madagasikara ny fananany karazan-java-maniry fitsaboana sy fanatsarana hoditra. Maniry any an’ala ny akamaroan’izany ary tsy hatahorana hitoerana akora simika kanefa tsy mbola nandalo fanadiovana. Na dia eo aza ny fahapotehan’ny ala arovana dia manome vitrika ny tantsaha hikajy ny tontolo iainana mba hahafahana mampiasa mandritry ny fotoana maharitra ireo vokatra natoraly ny fandraharahana ireo menaka voajanahary eto amintsika.
Miara-miasa amin’ny oniversite iraisam-pirenena
Mba hahafahany manatsara hatrany ny fivelarany dia mitantsoroka ny HBSN ny tomponandraikitry ny fikarohana sy fampivoarana ny fiofanana eo anivon’ny ISIPCA na “Institut Supérieur International du Parfum de la Cosmétique et de l’Arome alimentaire”, Atoa Olivier Rakoto. Atoa Jean Jacques Guerlain moa no tompon-kevitra tamin’ny nananganana ny ISIPCA izay fanta-daza maneran-tany ho hany tokana amin’ny fananana fahaiza-manokana amin’ny fampiofanana mikasika ny asa teknika sy fandraharahana eo amin’ny sehatry ny hatsarana sy ny resaka fambolena. Olivier Rakoto ihany koa izay mpahay simia sy havanana amin’ny raikipohy dia anisan’ny voavolavola tamin’ireo toeram-pitiliana goavana namokatra ireo ranomanitra malaza maneran-tany toy ny L’OREAL, SHISEIDO, LVMH: Dior, Guerlain, Givenchy, Kenzo…
Reharehan’i Gasikara
Efa fahagola ny Asirianina sy ny Babilonianina no nahatsapa fa ny ankamaroan’ireo voa fanomezan-tsiro sy zava-maniry dia azo hampivadiana tsara hanome vokatra fitsaboana sy ara-pahasalamana. Ny Ejipsianina moa dia nisantatra ireo karazam-poamady sy ranomanitra. Taonjato maro taty aoriana dia ireo ivontoeram-pitiliana misahana ny endrika amam-bika no nahita fa azo atao tsara ny mamokatra menaka voafantina hikojana izay tontolon’ny hatsaran’ny endrika amam-bika izay. Mametraka an’I Madagasikara eo amin’ny toerana avo ny HBSN noho ireo fikirakirany ireo vokatra voafantiny manerana ny nosy sy amin’ny alalan’ny fandraharahany menaka voafantina (huiles essentielles), ny hydrolats, ny vokatra mikolo endrika amam-bika (cosmétiques), ireo hazo sy voa mitsabo amin’ny kalitao avo dia avo ary koa fanampin-tsakafo (Des alicaments des complements alimentaires). Fanampin’izay rehetra izay dia miavaka raha samy miavaka ny vidin’ireo vokatra HBSN. Aza misalasala ary manatona ny HBSN sy milaza izay tadiavinao fa hahafa-po anao ny valiny.
Hbsn
Bp 3249 TANA 101
MADAGASCAR
Tél 034 03 831 28 – assistance 033 14 021 00
Site web www.jeanoel-hbsn.mg
email:jeanoël.hbsn@gmail.com
facebook:jeanoel.hbsn
twitter:jeanoelhbsn
Nanangona: J. Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.