Toekarena

Orinasa Fanalamanga Misy resaka manjavozavo ny fitantanana


  • Zoma 09 Jona 2017

Mampanontany tena ny maro ankehitriny ny fomba fitantanan-draharaha eo anivon’ny Orinasa Fanalamanga na Fanjarian’Ala Ambatondrazaka, Moramanga ao Tsirinala ao Moramanga izay heverin’ny rehetra fa misy zavatra manjavozavo be ihany.

Eo aloha ny resaka fanolorana ampahan-tany ny Sinoa izay nangatahan-dry zareo hambolena zanakazo kininina afaka 3 taona dia azo trandrahana. Tsy dia mazava loatra araka ny feo heno ny tompon’andraikitra nanolotra izany tany izany an’ireto vahiny ireto. Ary na dia nangataka aza ny Malagasy dia natokana hoan’ireto Sinoa ireto ny fakana dintina mandina na (résine) sy fambolena holatra haondrana any Chine. Mampimenomeno ny olona koa ny nanaovan’ny Fanalamanga « sous-traitance » amin’ny fikapana ala sy fitaterana ny vokatra amin’ny orinasa Ambovy izay tsy nisiana « appel d’offre » nazava akory nefa dia nomena ny Association Transport Mangoro natsangana maimaika ny fitaterana ny vokatra azo. Anisan’ny mitatitra entana ao anatin’izany koa ny « camion  double essieux » 2 mitentina  90  tapitrisa ar ny iray nomen’ny mpandraharaha 1 manokana ny DG an’ity Fanalamanga ity. Nahagaga ny maro koa ny nividianany fiara 4 x 4 iray hoentiny miasa sy ny nividianany fiara “Audi” 1 ohatra ireny fitondran’ny filoham-pirenena ireny. Nampanontanin-tena ny maro dia ny hoe an’ny orinasa ve ireny sa azy manokana ? Nanontanian’ny maro moa Rtoa PCA an’ity orinasa Fanalamanga ity izay PCA an’ny seranan-tsambon’i Toamasina ihany koa ny amin’ny fanaraha-maso ny fitantanana ity orinasa ity. Efa midehaka moa izy fa ny filankevi-pitantanana irery ihany no afaka manala azy amin’ny toerany.

Rabri


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Toekarena

  • Bambou eto Madagasikara
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Seha-pihariana mbola malalaka saingy

  • Orinasa KRAOMA
  • Talata 22 Septambra 2026

Vonona hiara-miasa sy

  • Ralaiarimanana
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

«Mila tsy miankin-doha intsony i Madagasikara»

  • Fitantanana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

sy fampisambolam-panjakana

  • Kraomita malagasy
  • Talata 08 Septambra 2026

Misokatra amin'ny

Hijery ny tohiny
FTT