Toekarena

Orinasa Fanalamanga 2018 Nihoatra ny tokony ho izy ny vinan’asa vita


  • Zoma 25 Janoary 2019

Nandeha araka ny tokony ho izy ny laminasa rehetra notanterahina tamin’iny taona 2018 nivalona iny ary nihoatra ny tokony ho izy mihitsy aza ho anay eto amin’ny orinasa Fanalamanga,

 

 hoy ny Tale Jeneraliny Rakotonirina Augustin nitafatafa sy nifampiarahaba nahatratra ny taona 2019 tamin’ny mpanao gazety tao amin’ny birao fiasany any Antsirinala Moramanga omaly alakamisy 24 janoary 2019. Nanomezany fanazavana tamin’ny antsipirihany avokoa ny manodidina ny asa sahanin’ity orinasa ity hatramin’ny taona 2015 nitantanany azy ka nanombohana nanarenana izany tao anatin’ny 4 taona. Voaloa daholo ny trosan’ny Fanalamanga (15,3 miliara ariary, an’ny Banky iraisam-pirenena), ny volan’ny Cnaps nitentina 800 tapitrisa ariary. Voaefa manontolo ny karaman’ireo mpiasa miisa1800 ao ary efa mandray izany isaky ny zoma mialoha ny faran’ny volana izy ireo izao. Nahavidy fiara 4X4 efatra sy fiara mpamonjy voina efatra ary nanatsara fotodrafitrasa ato amin’ny orinasa izahay ankehitriny. Tontosa tamin’ny an-tsakany sy an-davany ny tamberinandraikitra ho an’ny fiarahamonina tamin’ny fanamboarana Csb II 8, hopitaly 3, Maternité 3, fanampiana  efitrano 3 avy ho an’ireo sekoly tany amin’ny kaomina 10 ao amin’ny distrikan’i Moramanga ary ny lalan-dratsy mankany Mandialaza sy Lakato dia novahana avokoa ary hotohizana amin’ny lalana any Beparara amin’ity 2019 ity. Mikasika ny fikirakirana ny hazo fototry ny asa  ao amin’ny Fanalamanga  dia hampiasa zanakazo haingam-pitombo izy ireo ary efa misy laboratoara hikarakarana izany ao Antsirinala. Ny tanjonay hatramin’ny 2015,  hoy Rakotonirina Augustin, dia hampiasaina hitadiavam-bola tsy misy very “zero dechet” ny manodidina ny hazo manontolo (dintin-kazo, hazo planche, hodin-kazo, foto-kazo) ary ny ravin-kazo aza da mbola havadika ho vola koa atsy ho atsy. Marihina fa mampidi-bola 20 miliara ariary isan-taona ankehitriny ny orinasa Fanalamanga ka ny 4 miliara ariary amin’izany no miditra any amin’ny kitapom-bolam-panjakana isan-taona.

 

Ntsoavina Evariste

  

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Toekarena

  • Hetsika « MUSTIS »
  • Alakamisy 23 Aprily 2026

iraisan’i Madagasikara-Etazonia

  • Fampandrosoana ny firenena
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Mila fanavaozana goavana

  • Fitrandrahana harena
  • Talata 14 Aprily 2026

an-kibon’ny tany

  • Fampandrosoana an’i Madagasikara
  • Talata 07 Aprily 2026

Tsy afa-miala amin’ny fanovàna

  • Trosa ivelan'i Madagasikara
  • Talata 31 Martsa 2026

Fifanarahana 13 nitrosana

  • Fisitrahana ny FEC sy FRD
  • Talata 31 Martsa 2026

Tonga manao fitsirihana eto indray ny iraky ny FMI

Hijery ny tohiny
FTT