Toekarena

Orinasa Chicky Nomen’ny Miarakap 400 tapitrisa Ariary


  • Zoma 31 Aogositra 2018

Dimy volana taorian’ny fampahafantarana tamin’ny fomba ofisialy ny Miarakap dia nisy tamin’ireo orinasa kely vao manomboka sy teraka ireo (Startup) no nahazo famatsiam-bola sy fanohanana sahady.

 

 Nisitraka ny fanampiana nataon’ny mpiara-miombon’antoka Miarakap ny orinasa Chicky izay manao momba ny sakafo etsy Behoririka sy Analakely. Ity orinasa kely fisakafoanana ity dia anisan’ny namiratra tamin’ny fifaninanana Startup, herintaona lasa izay. Miezaka ho matihanina amin’ny fanaovana sakafo amin’ny akoho eto Madagasikara izy. Naharesy lahatra ny Miarakap ny hiara-miasa amin’ny Chicky satria 95%-n’ny vokatra ampiasaina ao dia vokatra eto Madagasikara avokoa. Nanome famatsiam-bola 400 tapitrisa Ariary izy ny amin’ny fiaingan’ity orinasa kely ity ary tanjona ny hanokafana hotely fisakafoanana hatrany amin’ny faritany. Nanambara ny tale ara-barotra Mamy Lala Barijaona fa manaraka ny fenitra iraisam-pirenena ny orinasa ary ara-dalàna tsara ny fitsanganany. Ny mpiasa ihany koa manana ny zony amin’ny lafiny lafiny rehetra ary hisy ny asa teraka satria raha 27 no mpiasa amin’izao fotoana dia hisy ny ezaka hampidirana mpiasa 150.

Tsirinasolo


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Toekarena

  • Bambou eto Madagasikara
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Seha-pihariana mbola malalaka saingy

  • Orinasa KRAOMA
  • Talata 22 Septambra 2026

Vonona hiara-miasa sy

  • Ralaiarimanana
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

«Mila tsy miankin-doha intsony i Madagasikara»

  • Fitantanana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

sy fampisambolam-panjakana

  • Kraomita malagasy
  • Talata 08 Septambra 2026

Misokatra amin'ny

Hijery ny tohiny
FTT