Toekarena

Orinasa Ambatovy sy ny Lalao « Tretrika 5 » Norombahin’Andasibe ny omby natao amboara


  • Alatsinainy 21 Oktobra 2019

Nanohana ny fikarakarana fifaninanana baolina kitra, nantsoina hoe « Tretrika » andiany faha-5, nandraisan’ireo tanora avy amin’ny kaominina Ambanivohitra dimy : Ambohibary,

 

 

 Andasibe, Ambatovola, Beforona ary Morarano Gara sy ny ekipan’Ambatovy niorin tamin’ny taona 2017  ny orinasa Ambatovy. Nokendrena tamin’izany ny hanohananany fampivelarana ny maha izy azy an’ireo tanora ao anatin’ny faritra iasan’ny orinasa. Ny hanampy ny tanora hanana toe-tsaina tia miara-miasa amin’ny hafa, manaja nyfitsipika misy, hanao tsaratsara kokoa noho ny teo aloha, amin’ny alalan’nyfanaovana fanatanjahantena no tena nimasoana tamin’izany ary ny  tombontsoa entin’ny fanatanjahantena ho an’ny vatana sy ny fahasalamana. Nokendrena fatratra ny  hahatonga an’ireo tanora  ho tomponandraikitra amin’ny ataony, ho mpitarika sy ho mpandray anjara feno amin’ny fampandrosoana ny kaominina misy azy. Tanora lahy sy vavy nanodidina ny 500 no nandray anjara tamin’ity hetsikafanatanjahantena ity hatramin’ny niforonany ka momba ny andiany 2019 manokana dia resin’ny solontenan’i Morarano Gara tamin’ny isa 1-0 ny ekipan’Andasibe nandritra ny lalao famaranana notanterahina  ny 6 oktobra 2019 lasa teo.Norombahin’izy ireo tamin’izany ny amboara sy ny omby ary kojakoja ho an’nyfanatanjahantena izay natolotry ny orinasa Ambatovy. Nahazo baolina sy fanamiana avyamin’ny orinasa kosa ireo ekipa rehetra nandray anjara

Ntsoavina Evariste

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Toekarena

  • Bambou eto Madagasikara
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Seha-pihariana mbola malalaka saingy

  • Orinasa KRAOMA
  • Talata 22 Septambra 2026

Vonona hiara-miasa sy

  • Ralaiarimanana
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

«Mila tsy miankin-doha intsony i Madagasikara»

  • Fitantanana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

sy fampisambolam-panjakana

  • Kraomita malagasy
  • Talata 08 Septambra 2026

Misokatra amin'ny

Hijery ny tohiny
FTT