Toekarena

Orinasa Ambatovy Mpiasa 150 sisa no miasa


  • Sabotsy 16 Mey 2020

Nanamafy ny tompon’andraikitry ny orinasa Ambatovy fa efa herinandro maro no nalefa nanao fihibohana ny mpiasa.

 

 

Mpiasa 150 isa izay tsy afa-miala amin’ny fampiodinana ny orinasa sisa no ao ary tsy mivoaka na mifandray amin’ny olona aty ivelany mihitsy. Nanambara ihany koa ny Governoran’ny Faritra Atsinanana, Rafidison Richard Théodore fa tsy tokony hanana ahiahy intsony ny vahoakan’i Toamasina sy ny Faritra Atsinanana satria tsy misy fifandraisana amin’ny olona ivelany mihitsy ireo mpiasa ao Ambatovy ireo. Efa nahatratra 598 ihany koa ireo mpiasa natao fitiliana faobe nandritra ny fidinana nataon’ny Filoham-pirenena tany an-toerana ny 7 mey lasa teo. Ankoatra ny fanarahana ireo fepetra ara-pahasalamana samihafa dia ahitana ny tambavy covid organics na CVO ihany koa ao amin’ny orinasa ary misotro izany avokoa ireo mpiasa hoy ny tompon’andraikitra. Omaly no nidina ifotony tao amin’ny orinasa Ambatovy ny Minisitry ny Harena an-kibon’ny tany sy ny Loharanon-karena stratejika, Fidiniavo Ravokatra niaraka tamin’ny Ministry ny mponina. Anton-dian’ny delegasiona tany an-toerana ny nanara-maso ny fanarahan’ny orinasa Ambatovy ny toromarika indrindra ny amin’ny tsy fahafahan’ireo mpiasa mifandray amin’ny olona ivelany intsony ho fisorohana ny fiparitahan’ny valanaretina coronavirus. Nandritra ny iraka notanterahan’ireo minisitra ireo tao Toamasina dia nisy ny fihaonana tamin’ny tomponandraikitry ny orinasa nijerevana ny fepetra arak’asa, ny mahaolana ary indrindra ny ara-pahasalamana.

Tsirinasolo

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Toekarena

  • Bambou eto Madagasikara
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Seha-pihariana mbola malalaka saingy

  • Orinasa KRAOMA
  • Talata 22 Septambra 2026

Vonona hiara-miasa sy

  • Ralaiarimanana
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

«Mila tsy miankin-doha intsony i Madagasikara»

  • Fitantanana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

sy fampisambolam-panjakana

  • Kraomita malagasy
  • Talata 08 Septambra 2026

Misokatra amin'ny

Hijery ny tohiny
FTT