Hiala tanteraka amin'ny fitrandrahana nikela sy kobalta ao anatin’Ambatovy ny Sherritt International rehefa niditra teo ambany fiarovan'ny lalàna amin'ny bankiropitra any Kanada.
Nanaiky hanakalo ny anjara petra-bolany (actions) amin'ny trosa be tokony nefainy ny Sumitomo Corporation Japoney, izay nanamora ny fialan’ny Sherritt. Ity orinasa japoney ity izany no lasa tompon'ny anjara 54% ao Ambatovy. Mandeha ihany koa ny resaka fa mikasa hivarotra ny anjarany ao Ambatovy ilay « actionnaire » Koreanina KORES, ary mitady mafy mpividy ankehitriny. Ambatovy no orinasa lehibe indrindra mitana ny 26% eo ho eo amin’ny fanondranana entana ataon’i Madagasikara. Mpiasa mivantana sy tsy mivantana efa ho an’aliny no miankina aminy, ary manodidina ny 40 tapitrisa euros isan-taona ny hetra ampidiriny ao anatin’ny kitapom-bolam-panjakana. Midika fahasahiranana lehibe ny fisitahan’ireo orinasa goavana manana petra-bola ao, izay ahiana hisy fiantraikany amin’ny hoavin’ity orinasa goavana ity
. FANAMORANA NY FIVERENAN’IREO MPIASA
Miisa 850 ireo mpiasa teratany vahiny avy amina orinasa 39 mpiasan’Ambatovy nody any ivelany ny faran’ny volana mey. Ny 18 agositra teo, nisy ny fifampidinihana momba ny fanamorana ny famerenena azy ireo nandritra ny fihaonana teo amin’ny Minisitry ny asa sy lalàna sosialy Rtoa Gisèle Ranampy sy ny masoivohon’i Japon miasa eto amintsika, Atoa Higuchi Yoshihiro. Ankoatra an’Ambotovy moa, dia mpiara-miombon’antoka voalohan’ny fanjakana Malagasy amin’ny fanitarana ny seranantsambon’i Toamasina ny Japoney nanomboka tamin’ny Fanjakana Rajaonarimampianina.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.