Toekarena

Orinasa AAA-Tiko Miantso vonjy ny mpiasa


  • Alakamisy 01 Febroary 2018

Nanao hetsika nentina nanehoana ny tsy fankasitrahana ny fanakatonana ny orinasa AAA-Tiko ireo mpiasan’ny Magro teto Antananarivo omaly,

ka nisy ny hetsika sy fitondrana sorabaventy nentina nanehoana izany nataon’ny mpiasa teny amin’ny Magro Behoririka omaly. Tao koa ny mpiasan’ny AAA-Tiko Andranomanelatra. Mitovy ny fitakinana dia ny fanokafana ny ozinina hiasan’izy ireo satria mamelom-bady aman-janaka sy manofa trano ary mampiana-janaka izy ireo. Hetsika am-pilaminana no natao ka nikasa hihaona tamin’ny sampandraharahan’ny Indostria ny tao Vakinankaratra. Diso adiresy moa izy ireo satria vao nifindra birao ny mpiasa, ka nojerena teny akaikin’ny Acmil saingy efa nitsoaka ireo mpiasa ka nivantana trano nihidy izy ireo. Fiangaviana no ataon’ireo mpiasa raha tena hitsinjo ny madinika tokoa ny mpitondra fanjakana satria dia olona manodidina ny 8.000 indray no tsy an’asa mivantana, ankoatra ireo tantsaha izay mpamatsy ronono sy ireo mpandraharaha manangona ka mampiditra izany ao amin’ny AAA-Tiko. “Tokony hidina indray mandeha eny amin’ny orinasa AAA-Tiko sy ny tranon’ny filoha teo aloha Ravalomanana Marc indray ny Jirama fa lasa fanalam-baraka io fanambarana sy fanelezana vaovao tsy marina eran’ny gazety io”, hoy Rtoa Norosoa Raharimalala, mpisolovava ny AAA, omaly alarobia 31 janoary 2018 manoloana ny lainga nafafy an-gazety. Notsipihin’ity mpisolovava ity anefa fa efa nisy ny fidinana sy fisavana mivantana nataon’ny Jirama teo Andranomanelatra ny 24 janoary 2018 teo. Nisy teknisianin’ny Jirama nanatrika sy nanamarina izany teny io andro io, ary nahita tsara teo imason’ny mpitandro ny filaminana sy ny vadintany ary ny mpisolovava fa tsy nisy io fisintonana an-tsokosoko herinanratra io. Io tranon’ny filoha Ravalomanana io mantsy dia nambarany fa mbola ao anatin’ny faritry ny orinasa no misy azy ary toerana na trano fandalovana ihany io ho an’ny tompony ka rehefa sendra ao izy vao miasa ny milina mamatsy io herinaratra io. Nohamafisiny fa efa mandeha any amin’ny fitsarana io raharaha io, ka tsy tokony hanao filazana an-gazety toy ireny ny Jirama fa toy ny mandidy ny fitsarana.


Toky R

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Toekarena

  • Fampandrosoana ny firenena
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Mila fanavaozana goavana

  • Fitrandrahana harena
  • Talata 14 Aprily 2026

an-kibon’ny tany

  • Fampandrosoana an’i Madagasikara
  • Talata 07 Aprily 2026

Tsy afa-miala amin’ny fanovàna

  • Trosa ivelan'i Madagasikara
  • Talata 31 Martsa 2026

Fifanarahana 13 nitrosana

  • Fisitrahana ny FEC sy FRD
  • Talata 31 Martsa 2026

Tonga manao fitsirihana eto indray ny iraky ny FMI

  • Fanatsarana ny
  • Talata 24 Martsa 2026

rafitry ny vola eto Madagasikara

Hijery ny tohiny
FTT