Toekarena

Orinasa AAA TIKO Maka ny toerany


  • Zoma 01 Septambra 2017

Anisan’ireo orinasa nisehatra teo amin’ny famokarana sy fiaraha-miasa amin’ny mpamboly sy mpiomby ny A.A.A TIKO Andranomanelatra.

 Raha tsy tazana tamin’ny “Vitrine du Vakinankaratra” ity orinasa ity hatramin’ny krizy 2009 dia niseho vahoaka indray tamin’ny alalan’ireo vokatra nahafantarana azy. Efa nisy ny fisehoana voalohany nataony tamin’ny fetin’ny Paska saingy vokatra vitsy no naseho. Amin’izao fotoana dia efa vokatra marobe no naranty sy namidy avy hatrany. Nambaran’Atoa Razakarivo Armando, tompon’andraikitry ny fanangonana ronono fa tsy mbola ahodin’izy ireo ny ronono voaangona ankehitirny satria raha 75.000 litatra izany ny taona 2007 dia mbola zara raha 8.000 litatra monja no mbola  azo. Nambarany fa tsy ho mpifaninana amin’ireo orinasa mitovy aminy izay tsy niato izy ireo amin’izao fotoana fa kosa hiezaka hamerina ny fanaingana ny famokarana ronono ao Vakinankaratra mihitsy amin’ny alalan’ny fanohanana ireo mpiompy sy tantsaha mba hahabetsaka ny ronono amin’ny alalan’ny fanatsarana ny taranak’omby sy ny famokarana sakafom-biby. Nomarihiny fa efa manomboka miparitaka any Betafo sy Antsirabe faharoa ny fanangonana ronono ataon’ny AAA Tiko amin’izao fotoana.  Raha ny atontanisan’ny Banky Iraisam-pirenena dia tsy mbola ampy ny fanjifan’ny Malagasy ny ronono ka malalaka tsara ity sehatra ity. Tsy ny ronono ihany no vokatra Tiko efa hita eny amin’ny tsena fa saika efa tazana avokoa ireo nahafantarana azy. Raha nandalo fotsiny teo amin’ny tranohevan’ny Tiko moa ireo mampahefana sasany tonga tamin’ny fisokafan’ny “Vitrine du Vakinankaratra” omaly dia anisan’ny nijanona naharitra kosa ny filohan’ny Antenimieram-pirenena, Rakotomamonjy Jean Max.

Caius R.


 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Toekarena

  • Bambou eto Madagasikara
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Seha-pihariana mbola malalaka saingy

  • Orinasa KRAOMA
  • Talata 22 Septambra 2026

Vonona hiara-miasa sy

  • Ralaiarimanana
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

«Mila tsy miankin-doha intsony i Madagasikara»

  • Fitantanana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

sy fampisambolam-panjakana

  • Kraomita malagasy
  • Talata 08 Septambra 2026

Misokatra amin'ny

Hijery ny tohiny
FTT