Toekarena

Orinasa AAA Nitory eny amin’ny Filankevi-panjakana


  • Talata 08 Septambra 2020

Nametraka fitoriana teny amin’ny Filankevi-panjakana mitaky ny hanafoanana ny fanakatonana ny orinasa AAA ny mpisolovava sy ny mpitantana io orinasa io omaly.

 

 


 Hitanay tao anatin’ny fandraisana fanapahan-kevitra fa nisy ny heverinay fa fanararaotaom-pahefana, nisy ihany koa ny tsy fanajana ny lalàna ankampobeny momba ny hetra, ka mangataka ny hanafoanana izany noho ny fanararaotam-pahefana na « recours en annulation pour excés de pouvoirs » izahay, hoy ny Mpisolovava Eloi Ratefimahefamijoro. Nambarany fa tsy miady hevitra mahakasika ny hoe nandoa hetra sa tsia ? ohatrinona ? Tsy izay no nentina tany amin’ny Filankevi-panjakana, fa raha jerena amin’ny antsipirihany, dia nisy ny fampitandremana, nilazana ny tsy fahatanterahana sy tsy maha-ara-dalàna. Tsy maintsy noraisina ve ny fanapahan-kevitra fanakatonana ? Tsy voatery tsy maintsy nanao fanakatonana ny fanjakana raha ny lalàna ankapoben’ny hetra, hoy ny fanazavana. Afaka ary azon’ny fanjakana natao tsara ny nanome fetr’andro 8 andro tany amin’ny orinasa voakasika. Tokony nanana 8 andro namaliana sy nampanarahan-dalàna ny AAA. Nisy ny filazan’ny sampan-draharaha momba ny hetra, fa noho ny hamehana ara-pahasalamana, dia mihemotra ny fanambarana ara-ketra, ary mihemotra ihany koa ny fandoavan-ketra, ka heverinay fa ny AAA, dia tokony hitovy amin’ny orinasa rehetra eto Madagasikara misitraka izany. Raha ny drafi-panarenana ara-toekarena tokony hanampiana ny orinasa no atao, dia ny mifanohitra no mahazo ny AAA, hoy hatrany io mpisolovava io.

Toky R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Toekarena

  • Bambou eto Madagasikara
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Seha-pihariana mbola malalaka saingy

  • Orinasa KRAOMA
  • Talata 22 Septambra 2026

Vonona hiara-miasa sy

  • Ralaiarimanana
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

«Mila tsy miankin-doha intsony i Madagasikara»

  • Fitantanana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

sy fampisambolam-panjakana

  • Kraomita malagasy
  • Talata 08 Septambra 2026

Misokatra amin'ny

Hijery ny tohiny
FTT