Toekarena

OPENFLEX Nanome fiofanana momba ny varotra mahomby


  • Alarobia 11 Aprily 2018

Taorian’ny teny Expo Forello Tanjombato dia nanofana olona teny amin’ny Iscam Ankadifotsy indray omaly Atoa Simon Lee, tompon’andraikitra eo anivon’ny Ong Stileex Numafri sy ny Openflex.

 
Anisan’ny  nanofanany olona tamin’izany ka nampitany ny traikefany sy ny fahaiza-manaony ny momba ny fahazoana mpanjifa  ho an’ireo maniry ny hivarotra, ao anatin’ilay  hetsika herinandron’ny “ Mon idée, ma start-up”. Tanjona amin’izany ny mba hahafahana manohana sy manampy ireo tanora Malagasy  hirotsaka eo amin’ny sehatry ny fandraharahana,  lavitry ny fatiantoka. Anisan’ny nampianarany ireo mpandray anjara tamin’izany ny fomba  hitazonana mpanjifa rehefa azo izy ireny, ny fikojakojana ny fiaraha-miasa mba haharitra, ny fomba fivarotana ny entana hamidy, raha eo ihany  koa ny fitsinjovana sahady ny vola hiditra any am-paosy. Anisan’ny nifanohana tamin’ny Ong Stileex tamin’izany moa ny Ong Le Ceentre eo anivon’ny Iscam Ankadifotsy. Tsiahivina fa manomboka miroborobo tanteraka eo amintsika ankehitriny ny fikirakirana ny logiciel. Antony manosika  an’Atoa Simon Lee hanampy ny mpiara-belona izany, raha anisan’ireo lehibena “incubateur” miisa dimy aty Afrika ihany koa ny tenany. Notoloran’ny Openflex logiciel maimaimpoana avokoa moa ny mpiofana rehetra taorian’izay.

 

Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Toekarena

  • Bambou eto Madagasikara
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Seha-pihariana mbola malalaka saingy

  • Orinasa KRAOMA
  • Talata 22 Septambra 2026

Vonona hiara-miasa sy

  • Ralaiarimanana
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

«Mila tsy miankin-doha intsony i Madagasikara»

  • Fitantanana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

sy fampisambolam-panjakana

  • Kraomita malagasy
  • Talata 08 Septambra 2026

Misokatra amin'ny

Hijery ny tohiny
FTT