Toekarena

Openflex, mpanohana ofisialy ny « Salon 3in1 Event » novokarin'ny As'Sidus Madagascar


  • Sabotsy 25 Aogositra 2018

Efa tsy misy vina amintsika intsony ny resaka fampiratiana sahala amin'itony. Tamin'ity indray mitoraka ity, nokarakaraina tao amin'ny Carlton Anosy ny 16 sy 17 aogositra lasa teo ny « Salon 3in1 Event ».


Izy ity dia seho telo mitambatra ho iray izay nahitana ny « salon des Centres de Contacts et d’Appels », « salon de Talents, Trajectoires et Carrières » ary ny « salon des Grandes Écoles Nationales et Étrangères ». Ny tanjona tami'izy ity dia ny fandraisana mpiasa, ny fifanakalozana, ny fitadiavana fiarahamiasa ary indrindra ny fampianarana ambony.

Openflex, ilay mpamokatra rindrambaiko amin'ny aterineto, dia nisafidy manokana ny hanohana ity fampiratiana ity noho izy tafiditra tanteraka ao anatin'ny drafitra izay napetrany, dia ny fampandrosoana ny nomerika (https://stileex.xyz/environnement-numerique-madagascar-efforts-visibles-etat/ ) sy ny informatika izany. Nandritra ny famelabelarana izay natao, nampahafanatatra ireo mpitsidika ny orinasa fa natao ho antsika malagasy ny rindrambaiko noho izy amin'ny vidiny mirary, tsotra fampiasa ary mifanaraka amin'ny lalàna malagasy. Voaresaka tao ihany koa ny fandahrana « Openflex Academy », izay nanamarika ny finihavan'ny orinasa hampandroso ny fanabeazana. Ity fandaharam-pampianarana ity dia natao mba ahafahan'ny mpianatra mamolavola ny resaka rindrambaiko, hanamora kokoa ny fidirany eo amin'ny sehatry ny asa. Marihina fa misy ny taratasy fanamarinana izay tolorana ireo izay nahavita ny fampianarana.

Tsikaritra tokoa fa efa betsaka ny liana amin'ny resaka rindram-baiko (https://stileex.xyz/logiciel-gestion-stock/  ), indrindra fa ireo amin'ny aterineto. Ny Openflex moa, amin'ny maha tsy misy hofany isam-bolana na isan-taona azy dia nahalina ny rehetra, na ny mpianatra izy tonga hitady asa ny fianarana asa aza. Ankoatran'ireo, nisy ny rindrambaiko « Vente&CRM » ( https://openflex.cloud/fr/produit/vente-crm/ )maimaim-poana izay notolorana ireo mpitsidika rehetra.

Nandritra ireo roa andro nifanesy dia hita fa himpoka tanteraka ny ivo-toeran'ny Carlton noho ireo mpianatra maro be izay iriana ho nahita izay nahasoa azy. Ary dia nahafinaritra aok'izany ny nahita ireo mpianatra tonga maro.

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Toekarena

  • Bambou eto Madagasikara
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Seha-pihariana mbola malalaka saingy

  • Orinasa KRAOMA
  • Talata 22 Septambra 2026

Vonona hiara-miasa sy

  • Ralaiarimanana
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

«Mila tsy miankin-doha intsony i Madagasikara»

  • Fitantanana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

sy fampisambolam-panjakana

  • Kraomita malagasy
  • Talata 08 Septambra 2026

Misokatra amin'ny

Hijery ny tohiny
FTT