Toekarena

OPENFLEX Fitantanana azo antoka ho an’ny orinasa


  • Talata 21 Novambra 2017

Ny fanodinkodinana amin'ny lafiny rehetra dia trangan-javatra iray hita matetika eny anivon’ny orinasa maro eto Madagasikara.

Maro ny endrika hisehoany, manomboka ao amin'ny famoahana ny entana madinika ao amin'ny stock ka hatrany amin'ny fanodinkodinana ny vola miditra.  Azo  fehezina sy ialana  tsara anefa ny tranga toy izany raha manana rindram-baiko na « logiciel de  gestion »https://stileex.xyz/categorie/blog-entrepreneuriat/ azo antoka ny orinasa. Mbola maro ireo orinasa eto amintsika  no miasa  amin'ny kahie sy penina, antony tsy hahafahany  manaraka loatra intsony ny fizotry ny entana sy ny vola ary ny fivoahany ao am-piasana. Ny Openflex dia hiaka farany amin'ny  lafiny rindram-baiko misy ankehitriny. Tsotra, tsara endrika ary mora ampiasaina ny logiciel Openflex. Azo atao tsara ny manova ny  lokon'ny « interface utilisateur » ao aminy.  Mahafehy ny lafiny ara-pitantanana maro toy ny varotra sy izay rehetra mifandraika  aminy, ny tahiry na ny stock, ny karaman'ny mpiasa sy izay mifandraika aminy ary ny lafiny maro  hafa ihany koa izy sady mifanaraka amin'ny lalàna malagasy. Natao ho an'ny orinasa rehetra manomboka amin'ny kely indrindra ka hatramin'ireo  lehibe indrindra.  Ankoatra izay, mifandray avokoa ny modules rehetra ao aminy na dia tsy vidiana miaraka daholo aza. Ny fitambaran'ireo no manome rindram-baiko tokana antsoina hoe  : ERP. Mora ny fampiasana azy satria rohy fotsiny no  ampidirina. Azo atao tsara ny manara-maso ny orinasa n'aiza n'aiza   toerana misy ny tena. Mampiavaka  azy ny fananany ny  « version mobile » izay azo alaina ao  amin'ny Play Store. Manomboka  289 000 Ar ary ao anatin'ny 24 ora dia efa azo ampiasaina avy hatrany ny « logiciel  Openflex ». Raha te handrindra ny fitantanana orinasa dia ilaina noho ny fananana « logiciel »azo antoka sady hanampy amin'ny fandaminana ny asa no hanamora ny fanarahana ny  asan'ny mpiasa tsirairay avy ao amin'ny orinasa.

 

 

Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Toekarena

  • Fampandrosoana ny firenena
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Mila fanavaozana goavana

  • Fitrandrahana harena
  • Talata 14 Aprily 2026

an-kibon’ny tany

  • Fampandrosoana an’i Madagasikara
  • Talata 07 Aprily 2026

Tsy afa-miala amin’ny fanovàna

  • Trosa ivelan'i Madagasikara
  • Talata 31 Martsa 2026

Fifanarahana 13 nitrosana

  • Fisitrahana ny FEC sy FRD
  • Talata 31 Martsa 2026

Tonga manao fitsirihana eto indray ny iraky ny FMI

  • Fanatsarana ny
  • Talata 24 Martsa 2026

rafitry ny vola eto Madagasikara

Hijery ny tohiny
FTT