Toekarena

Olan’ny toekarena malagasy « Ny sain’ny mpianatra toekarena mihitsy no nosimbana »


  • Alarobia 15 Janoary 2020

Tsy misy manana tombontsoa amin’ny hisian’ny ady na ny iranianina na irakianina ary samy matahotra izany ny roa tonta,

 

hoy ny mpahay toekarena, Jean Jacques Ratsietison, raha nanao ny famakafakany mikasika ny mety ho fipetraky ny vidin-tsolika amin’ity taona ity. Marihina moa fa nidina 0,6 ka hatramin’ny 0,9% izany ankehitriny eo amin’ny sehatra iraisampirenena. Tsy hisy fiantraikany any amin’ny vidin-tsolika, hoy izy, io raharaha io. Tokana foana ny vahaolana ho an’ity mpahay toekarena ity dia ny fanafoanana ny MID na ny “marché interbancaire de devise”.  Iverenana ny tahabola tsy miovaova ary hakarina 200% ny sandam-bola Malagasy fa tsy mety intsony raha 100% fotsiny toy ny nolazaiko tamin’ny taon-dasa, hoy izy, satria efa potika ny firenena dia mba hidina ¼ ny vidin-tsolika. Tsy misy mahay na inona na inona eo amin’ny fitondrana. Misy ny atao hoe “achat a terme”. Ahafahana mifanaraka amin’ny mpivarotra io mba tsy hiovaovan’ny vidin-tsolika eto Madagasikara, hoy izy, satria tsy voafehy ny fiovana any ivelany. Tsy misy tany tafavoaka kanefa tsy tompon’ny volany izany ary isika tsy tompon’ny ariary. Raha vitantsika anefa ny mamerina ny fiandrianan’ny volantsika dia manana fiandrianam-pirenena ho azy isika. Ariary no vola mihodina eto fa tsy ilana banky iraisampirenena sy FMI, hoy ny tenany. Rehefa tompon’ny ariary isika dia hividianana entana any ivelany sisa no ilana ny Euro sy Dolara. Anjarantsika ny manao izay hamokarana devizy satria ny devizy miditra izao tsy antsika fa lasan’ny “banque primaire”, izany hoe an’ny vahiny. Izany no tokony hataontsika, hoy hatrany ny tenany, saingy ny olana dia hatramin’ny sain’ny mpianatra toekarena koa efa nopotehina. Nampidirin-dry zareo mpampiditra ny MID tamin’ny taona 1994 tao anaty fandaharam-pianaran’ny taona voalohany fa ny lalàna ny tolotra sy ny tinady no mifehy ny vola. Rehefa tsy mamoaka izay ilay mpianatra dia tsy azo ny diplaoma. Hany ka sady karazana takalon’aina izy no tsy tafavoaka isika, hoy hatrany ny tenany.

J. Mirija

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Toekarena

  • Hetsika « MUSTIS »
  • Alakamisy 23 Aprily 2026

iraisan’i Madagasikara-Etazonia

  • Fampandrosoana ny firenena
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Mila fanavaozana goavana

  • Fitrandrahana harena
  • Talata 14 Aprily 2026

an-kibon’ny tany

  • Fampandrosoana an’i Madagasikara
  • Talata 07 Aprily 2026

Tsy afa-miala amin’ny fanovàna

  • Trosa ivelan'i Madagasikara
  • Talata 31 Martsa 2026

Fifanarahana 13 nitrosana

  • Fisitrahana ny FEC sy FRD
  • Talata 31 Martsa 2026

Tonga manao fitsirihana eto indray ny iraky ny FMI

Hijery ny tohiny
FTT