Toekarena

Olan’ny fandraharahana eto Madagasikara Manampy trotraka ny ataon’ny fadin-tseranana


  • Zoma 18 Janoary 2019

Misedra olana goavana ny sehatra fandraharahana hoy i Randriamampionona Joseph Martin na i Dadafara amin’izao fotoana izao.

 


Ankoatran’ny fangalaran’ny mpitondra sy ny fahantran’ny vahoaka dia manao ny ataony ihany koa hoy izy ny fadin-tseranana. Iaraha-mahalala fa mikoroso fahana ny sandam-bola Malagasy ary mihena hatrany ny fampidiram-bola vahiny kanefa ny harem-pirenena mivoaka malalaka. Nankaiza izao ny vola be noraisin’ny fanjakana teo aloha mitentina 2,5 miliara dolara tamin’ny sambo Sinoa miisa 330 hoy izy? Fantatra fa tsy naiditra taty amin’ny Banky eto Madagasikra izany. Fa tena loza mitatao sady mamotika mpandraharaha Malagasy ny ataon’ny fadin-tseranana amin’izao fotoana izao hoy i Dadafara. Mampandoa vola be ny mpandraharaha ny fadin-tseranana sady mila vaniny no lasa be pitsopitsony mahataraiky hoy izy. Efa korofohana ny entana any amin’ny seranan-tsambon’ny Toamasina ary mbola hatao izany ihany rehefa tonga aty Antananarivo. Rehefa mba te hampitombo vola ampiasaina ka tratrany tsy manao fanambarana na dia 10% monja aza dia asain’ny fadintseranana mandoa vola be mihoatra ny tokony ho izy ny mpandraharaha. Mba tena ilaina jeren’ny mpitondra firenena vaovao io fomba mamoehatra fanaon’ny fadintseranana mody mialokaloka eo ambany lalàna io hoy i Dadafara satria tena halatra sy fandrobana ary fanaparam-pahefana amin’ny mpandraharaha Malagasy.

Tsirinasolo

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Toekarena

  • Hetsika « MUSTIS »
  • Alakamisy 23 Aprily 2026

iraisan’i Madagasikara-Etazonia

  • Fampandrosoana ny firenena
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Mila fanavaozana goavana

  • Fitrandrahana harena
  • Talata 14 Aprily 2026

an-kibon’ny tany

  • Fampandrosoana an’i Madagasikara
  • Talata 07 Aprily 2026

Tsy afa-miala amin’ny fanovàna

  • Trosa ivelan'i Madagasikara
  • Talata 31 Martsa 2026

Fifanarahana 13 nitrosana

  • Fisitrahana ny FEC sy FRD
  • Talata 31 Martsa 2026

Tonga manao fitsirihana eto indray ny iraky ny FMI

Hijery ny tohiny
FTT