Olan’ny delestazy, toekarena, famoronana asa

Neken’ny Banky Iraisam-pirenena ny trosa 100 tapitrisa dolara


  • Zoma 20 Jona 2025

Nankatoavin’ny Banky Iraisam-pirenena ny 18 jona 2025 teo ny famatsiam-bola IDA

izay mitentina 100 tapitrisa dolara ho an’i Madagasikara, andiany faharoa amin’ny famatsiam-bola ho an’ny toekarena malagasy, sy ho fanohanana ny sehatra famoronana asa. Fepetra miisa 18 mifototra amin’ny fanavaozana eo amin’ny sehatra maro, indrindra tamin’ny fifandraisan-davitra, angovo, harena ankibon’ny tany ary fitantanam-bolam-panjkana no notanterahan’ny Fitondrana mba nahafahana nisitraka ity fanampiana ity, raha ny tatitra. Ireo fepetra fanavaozana rehetra vita ireo dia natao hanatsarana ny fandraharahana sy ny famoronana asa eto Madagasikara avokoa. Tsy mitsahatra mikatsaka izay afahana mampandroso an’i Madagasikara ny Fitondram-panjakana tarihan’ny Filoha Andry Rajoelina na dia eo ary ny sakatsakana maro samihafa, hoy ny Fanjakana. Tena izay ve no marina sy zava-misy eto ? Ny fanamarihan’ny Atou Seck solontenan’ny Banky Iraisam-pirtenena eto dia milaza fa hisy ampahany betsaka hanohanana ny sehatry ny angovo mba hanatsarana ny fisitrahana herinaratra eto Madagasikara. Mampiharihary ny tsy fananan’ny Fanjakana Rajoelina vahaolana momba ny angovo. « Ny fisitrahana herinaratra dia isan’ny sakana lehibe amin’ny fampandrosoana an’i Madagasikara », hoy hatrany solontenan’ny Banky Iraisam-pirenena. Navoitra fa mamotika ireo seha-pihariana samihafa na ho an’ny isan-tokantrano na ho an’ny orinasa. Miharihary aloha izany fa tsy mahavita tena sy tsy mahavita miahy ny Malagasy amin’ny resaka toekarena sy famoronana asa ny Fanjakana Rajoelina ka ny mpamatsy vola no ianteherana sy mahita fa ilaina ny fanohanana. Zary ny mpamatsy vola no mpanome lesona ny fitondrana amin’ny fitantana araka ny tokony ho izy ny Firenena, mametraka ireo fepetra sy mason-tsivana samihafa momba ny mangarahara, fahaiza-mitantana, ady amin’ny kolikoly, laharam-pahamehana,… Raha tena mahay mitantana, mijery ny tombotsoa iraisana,… tsy mila miandry tohana ara-bola avy amin’ny Banky Iraisam-pirenena ny resaka fanohanana ny toekarena sy famoronana asa izany fa vitan’ny Fanjakana madiodio sy miroborobo. Hatreto anefa, zary ny kirendrarendra sy ny kisehoseho ivelany hatrany no handaniana vola tsy toko tsy forohana kanefa tsy mamokatra sy tsy miteraka tombony ho an’ny Firenena : kianja nandaniana 77 tapitrisa dolara na 350 miliara Ar tany ho any kanefa tsy azo ilalaovana hatramin’izao ; teleferika nitrosana 151 tapitrisa euros na 750 miliara Ar mahery ; dia io indray ny resaka bus elektrika hanehoana hono fa miaro ny tontolo iainana isika kanefa ny harena eto tapitra ripaka,… Miteraka inona ho an’ny toekarena sy ny fiainam-bahoaka ireny ?
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Toekarena

  • Fampandrosoana ny firenena
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Mila fanavaozana goavana

  • Fitrandrahana harena
  • Talata 14 Aprily 2026

an-kibon’ny tany

  • Fampandrosoana an’i Madagasikara
  • Talata 07 Aprily 2026

Tsy afa-miala amin’ny fanovàna

  • Trosa ivelan'i Madagasikara
  • Talata 31 Martsa 2026

Fifanarahana 13 nitrosana

  • Fisitrahana ny FEC sy FRD
  • Talata 31 Martsa 2026

Tonga manao fitsirihana eto indray ny iraky ny FMI

  • Fanatsarana ny
  • Talata 24 Martsa 2026

rafitry ny vola eto Madagasikara

Hijery ny tohiny
FTT