Toekarena

Olana eo anivon’ny OFMATA Ahiana ho very 300 miliara ariary ny fanjakana


  • Alarobia 11 Novambra 2020

Orinasa manana sata Epic ny OFMATA, izany hoe an’ny orinasa ny 80% ary an’ny fanjakana ny 20%, hoy ny solontenan’ireo mpiasa eo anivon’ity orinasa ity tetsy amin’ny foibeny etsy Antanimena omaly.

 Raha ny zava-misy anefa dia an’ny orinasa avokoa ny 100%n’ny vola miasa ao. Sady mamokatra paraky no manodina paraky izahay, mianto-tena, mamelona tantsaha 30.000 isa eo. Mamelona mpiasa raikitra miisa 300 ary mpiasa an-tselika miisa 1000. Mba hitandroana ny fahasalaman’ny mpihinam-paraky sy sigara dia ny OFMATA no mifehy ny kalitaon’ny paraky mba tsy ho lasa gaboraraka. Mikojakoja azy mba hanaraka ny fenitra iraisam-pirenena ihany koa. Mampiditra volam-panjakana ao amin’ny kitapom-bolam-panjakana ny orinasa ary manaraka ny rafim-pitantanam-bolam-panjakana. Volam-panjakana mitentina 300 miliara ariary isan-taona no very rehefa tsy miodina ny orinasa. Very fidiram-bola ny tantsaha misehatra amin’ny voly paraky. Misedra olana goavana koa ireo orinasa mpisehatra paraky. Manahy amin’ny hoavin’ireo mpiasa rehetra izahay, hoy hatrany izy ireo, ka mangataka sy mitalaho ny filoham-pirenena hanendry tale jeneraly vaovao fa mijaly. Nametra-pialana ny 20 aogositra teo moa ny tale jeneraly teo aloha ka tsy misy vola mivoaka na ariary aza ankehitriny ao amin’ny orinasa ary miantraika amin’ireo tantsaha sy mpiasa manerana ny nosy ny voka-dratsin’izany, hoy izy ireo, ary hiha simba hatrany ity orinasa ity sy ny paraky.

 J. Mirija

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Toekarena

  • Hetsika « MUSTIS »
  • Alakamisy 23 Aprily 2026

iraisan’i Madagasikara-Etazonia

  • Fampandrosoana ny firenena
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Mila fanavaozana goavana

  • Fitrandrahana harena
  • Talata 14 Aprily 2026

an-kibon’ny tany

  • Fampandrosoana an’i Madagasikara
  • Talata 07 Aprily 2026

Tsy afa-miala amin’ny fanovàna

  • Trosa ivelan'i Madagasikara
  • Talata 31 Martsa 2026

Fifanarahana 13 nitrosana

  • Fisitrahana ny FEC sy FRD
  • Talata 31 Martsa 2026

Tonga manao fitsirihana eto indray ny iraky ny FMI

Hijery ny tohiny
FTT