Toekarena

Olana ara-toekarena Nanome toky fanjakana fa hanohana ny sehatra tsy miankina


  • Alakamisy 09 Aprily 2020

Hiara-hiasa akaiky ary hifanampy sy hifameno ny sehatra tsy miankina sy ny fanjakana hanavotana ny toekarena izay mitotongana hatrany noho ny fisian’ny valanaretina Corona virus.

 

 

 

 Efa mihatra amin’ireo sehatra lehibe mihazona ny toekarena ny krizy ary tsy vitan’izay fa miantraika amin’ny aty vilanin’ny Malagasy efa miaina anaty fahantrana lalina sy ireo orinasa madinika tsy ara-dalàna mameno ny firenena. Mampanahy be ihany ny ho avy ara-toekarenan’i Madagasikara ka niara-nivory ny Minisitry ny Indostria sy ny varotra ary ny asa tanana (MICA) sy ny Minisitry ny Toekarena sy ny Fitatanam-bola (MEF) niaraka tamin’ireo filohan’ny Groupements Professionnels. Tanjona ny hanamafisana orina ny drafitra enti-manarina ny toekarem-pirenena manoloana ny COVID-19 (Plan de Mitigation pour la sauvegarde et la relance de l’économie malgache). Noraisina sy nangonina tamin’ity fivoriana ity avokoa ny hevitr’ireo sehatra tsy miankina mahakasika ny ho fiantraika ara-toekaran’ity aretina ity amin’ny sehatra rehetra. Izany rehetra izany no havondrona anatin’ny drafitra ary hanangonana ny antontan-kevitra rehetra. Nanambara ny Minisitra Lantosoa Rakotomalala fa hiarovana ny kely ananana sy hifehezana mba tsy handrodana tanteraka ny toekarena ny drafitra Plan de Mitigation. Ity farany izay hikasika ny seha-pihariana rehetra ary tsy ho diso anjara amin’izany ny sehatra tsy ara-dalàna. Tetsy ankilany dia nanamafy ihany koa ny Minisitry ny Toekarena, Richard Randriamandrato fa tsy maintsy hanohana ny sehatra tsy miankina ny fanjakana ary manantena ny fiaraha-miasa amin’ny Vondrona Iraisam-pirenena amin’izay ho mety ho famatsiam-bola homen’izy ireo. Tsiahivina fa ny Sénégal no efa nahavita nametraka io drafi-panarenana ny toekarena io ary i Madagasikara no faharoa hantanteraka izany.

Tsirinasolo

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Toekarena

  • Bambou eto Madagasikara
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Seha-pihariana mbola malalaka saingy

  • Orinasa KRAOMA
  • Talata 22 Septambra 2026

Vonona hiara-miasa sy

  • Ralaiarimanana
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

«Mila tsy miankin-doha intsony i Madagasikara»

  • Fitantanana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

sy fampisambolam-panjakana

  • Kraomita malagasy
  • Talata 08 Septambra 2026

Misokatra amin'ny

Hijery ny tohiny
FTT