Toekarena

Olana ara-toekarena iraisam-pirenena Mihena ny fifanakalozana ara-barotra


  • Talata 11 Febroary 2020

Ny fampiasana vola any ivelan’ny firenena na ny Investissement Direct Etranger (IDE) dia nahazoan’ireo firenena nanao izany tombony avokoa.

 

 

 

 Amin’io sehatra io dia  mora ny karama aloha ka izay tena ahazoan’ireo mpandraharaha tombontsoa.  Tsy izany intsony  anefa no mitranga ankehitriny fa saika nampiakatra ny karama farany ambany avokoa ny amin’ny ankamaroan’ireo firenena mpampiasa vola toy ny any Sina, Etazonia. Eo ihany koa ny fisondrotan’ny hetra eny amin’ny seranan-tsambo, ny olan’ny fitaterana ankapobeny ary indrindra ny fiovaovan’ny toe-trandro izay saika mahazo ny firenena rehetra. rehefa izany dia  aleo mamokatra any amin’ny firenena niavina ihany satria tsy misy tombotsoa intsony. Izany rehetra izany dia  mampihena ny fifanakalozana ara-barotra ary miantraika any amin’ny ny fifanakalozana ara-bola ihany koa.  Voakasika izany koa ny fifanakalozana fahaizana sy teknolojia toy ny brevet izay tsy dia misy firy intsony mihitsy ary lasa mampiady satria samy te ho voalohany avokoa. Tranga misy eo amin’ny Etazonia sy Sina izany amin’ny fikarahoana réseaux 5G. Eo amin’ ny fifindramonina dia samy manenjana ny fomba ahazoana VISA idirana any amin’ny firenena sy fahazoan-dalana (permis de séjour) ny ankamaroan’ny firenena tandrefana mba tsy hampitombo ny fandaniana ara-tsosialy atao amin’ny mponina. Efa hita taratra aty Madagasikara ny akon’izany fihemorana maro izany ary mainka mamparefo ny toekarena.

Tsirinasolo

 

 

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Toekarena

  • Bambou eto Madagasikara
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Seha-pihariana mbola malalaka saingy

  • Orinasa KRAOMA
  • Talata 22 Septambra 2026

Vonona hiara-miasa sy

  • Ralaiarimanana
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

«Mila tsy miankin-doha intsony i Madagasikara»

  • Fitantanana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

sy fampisambolam-panjakana

  • Kraomita malagasy
  • Talata 08 Septambra 2026

Misokatra amin'ny

Hijery ny tohiny
FTT