Toekarena

Olana ara-ketra Mbola adihevitra ny momba ny saram-panondranana


  • Zoma 03 Martsa 2023

Tontosa omaly tetsy Anosy ny fampahafantarana ny fepetra ho raisina ara-pitantanana sy mifanaraka nylalànamikasika ny lalàna mifehy ny tetibola ho amin’ity taona 2023 ity.

Araka ny fanazavan’ny tale jeneraly misahana ny hetra eto Madagasikara, Germain, dia misy ny rafitra vaovao napetraka hitantanana ny fandoavan-ketra eto Madagasikara. Antsoina hoe SAFI izy io ary rafitra iray napetraka mba tsy hikirakirana taratasy intsony eo amin’izay lafiny fandoavan-ketra izay, hoy izy. Isan’ny fanatsarana koa ny fomba fitantanana ny TVA na hetra alaina amin’ny entana voahodina, hoy hatrany ny tenany. Mikasika ny fepetra mifanaraka amin’ny lalàna kosa dia tanjona napetraka, hoy ny fanazavana, ny fitsinjovana ny fahefa-mividin’ireo mpanjifa. Isan’ny fanovana ny mikasika ny hetra alaina amin’ireo vokatra fihinana sy an’ala. Eo ny fampiharana ny fakana 3% amin’ny vokatra aondrana ao anatin’ny 2 volana. Fakana hetra na “retaxation” an’ireo vokatra ara-tsolika amin’ny taha 20% mikasika izay TVA izay. Tsy tokony hihoatra ny 200 tapitrisa Ariary kosa ny hetra alaina amin’ireo orinasa mikambana anatine koperativa, hoy hatrany ny fanazavana. Nanotrona ity fampahafantarana ity moa ireo solontenan’ny orinasa madinika sy salantsalany eto amin’ny firenena, isany ireo avy amin’ny orinasa madinika fitrandrahana vato ary dia mbola hifandresen-dahatry ny sehatra tsy miankina sy ny fanjakana hatreto ny mikasika ny hetra alaina amin’ny atao hoe “droit de sortie” na saram-panondranana ity.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Toekarena

  • Fampandrosoana ny firenena
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Mila fanavaozana goavana

  • Fitrandrahana harena
  • Talata 14 Aprily 2026

an-kibon’ny tany

  • Fampandrosoana an’i Madagasikara
  • Talata 07 Aprily 2026

Tsy afa-miala amin’ny fanovàna

  • Trosa ivelan'i Madagasikara
  • Talata 31 Martsa 2026

Fifanarahana 13 nitrosana

  • Fisitrahana ny FEC sy FRD
  • Talata 31 Martsa 2026

Tonga manao fitsirihana eto indray ny iraky ny FMI

  • Fanatsarana ny
  • Talata 24 Martsa 2026

rafitry ny vola eto Madagasikara

Hijery ny tohiny
FTT