Toekarena

Olana amin`ny sehatry ny rano Manakorontana ny toekarena


  • Zoma 16 Aogositra 2019

Tena ilain`ny olombelona amin`ny sehatra rehetra ny rano. Tsy azo tsinontsinoavina ny rano na odiana tsy hita ireo olana mahakasika izany toy izay nitranga teny Andraisora, Ankatso…

 

 

 

Zon`ny olona no misitraka rano sady mandoa vola ka tokony hahazo tolotra mifanaraka amin`izay. Manakorontana ny lafiny toekranea ny fahatapahan-drano. Ny rano dia olana lehibe ary tafiditra ao amin`ny sehatra ara-tsosialy. Mila fanatsaràna izany mba hahatonga azy ho tosika eo amin`ny toekrana. Mila ezaka ny sehatry ny rano mba hampitomboina izay sehatra sosialy. Ny 80-%n’ny mponina eto Madagasikara dia tantsaha avokoa, izany hoe miaina amin’ny fambolena sy fiompiana. Raha tsy mandeha ny rano entina manatsara ny fiaianan’ny sarambem-bahoaka dia tsy misy ny fampandrosoana. Manakorontana ny toekarena satria tsy afaka mamokatra, hany ka lasa  manasongadina ny fahantrana lalina eto amin`ny firenena. Tafiditra ao amin`ireo firenena miisa 189 mpikambana eo anivon`ny firenena mikambana tokony hisitraka ny fampihenana ny tahan`ny fahantrana ho amin`ny antsasany i Madagasikara toy ny fanatsarana ny rano eto amintsika eo amin`ny 68% saingy mbola 32% anefa no tratra hatreto. Misy zavatra maika tsy maintsy atao fa misy kosa laharam-pahamena na samy maika aza ka hahafantarana izay tena fototry ny fampandrosoana na ara-toekarena na ara-tsosialy

 

Marigny A.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Toekarena

  • Bambou eto Madagasikara
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Seha-pihariana mbola malalaka saingy

  • Orinasa KRAOMA
  • Talata 22 Septambra 2026

Vonona hiara-miasa sy

  • Ralaiarimanana
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

«Mila tsy miankin-doha intsony i Madagasikara»

  • Fitantanana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

sy fampisambolam-panjakana

  • Kraomita malagasy
  • Talata 08 Septambra 2026

Misokatra amin'ny

Hijery ny tohiny
FTT