Toekarena

Ofisy Nasionalin’ny Tontolo Iainana Miisa 17 ny fahazoan-dalana nomena ny taona 2020


  • Alarobia 17 Jona 2020

Efa miisa 17 ny fahazoan-dalana ara-tontolo iainana navoaka tamin’ity taona 2020 ity araka ny tatitry ny Tale Jeneralin’ny Ofisy Nasionalin’ny Tontolo Iainana (ONE) omaly tetsy Antaninarenina.

 

 

 

 

10 tamin’ireo no navoaka tao anatin’ny fihibohana satria efa tetikasa nahavitana fakan-kevitry ny olona (consultation publique) izay ahafahana mamoaka ny fahazoan-dalana. Nanamafy ihany koa ny Tale Jeneraly, Ampilahy Laurent fa tsy nanao fakan-kevitra mihitsy nandritra ny fihibohana fa efa asa tanteraka taloha no nahafahana nanome ireo fahazoan-dalana ireo. Nanentana ihany koa ny tenany ny amin’ny tsirairay raha mahita ahiahy na trangana kolikoly mahakasika ireo fahazoan-dalana nomena tamin’ity taona ity ireo hampandre avy hatrany sy hanatitra ny porofo eo anivon’ny ONE. Tamin’io omaly io ihany koa moa no nanomezana fahazoan-dalana ara-tontolo iainana tamin’ny fomba ofisialy ny tetikasa mahakasika ny angovo azo avy amin’ny rano ao Sahofika ( Projet d’aménagement hydroélectrique de Sahofika) izay iandraketan’ny Ministeran’ny Rano, ny angovo ary ny akoranafo. Ny Orinasa NEHO (Nouvelle Energie Hydroélectrique) no tompon’antoka ary efa nanaovana ny fanadihadiana rehetra momba ny mety vokatra ara-tontolo iainana sy ara-tsosialy (Etude d’Impact Environnemental et Social) na ny EIES mahakasika ny tetikasa izany nahafahana manome ny fahazoan-dalana. Mahatratra 192MW ny tanjaka ny angovo azo amin’ity tetikasa ity ka hahatratra 1570GWh ny famokarana isan-taona ary ny JIRAMA no hitsinjara ny herinaratra azo.

Tsirinasolo

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Toekarena

  • Bambou eto Madagasikara
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Seha-pihariana mbola malalaka saingy

  • Orinasa KRAOMA
  • Talata 22 Septambra 2026

Vonona hiara-miasa sy

  • Ralaiarimanana
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

«Mila tsy miankin-doha intsony i Madagasikara»

  • Fitantanana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

sy fampisambolam-panjakana

  • Kraomita malagasy
  • Talata 08 Septambra 2026

Misokatra amin'ny

Hijery ny tohiny
FTT