ODOF” AO AMBATONDRAZAKA

Manodiana voatabia 1 taonina isan’ora


  • Alatsinainy 11 Septambra 2023

Manomboka mamokatra fa tsy ho haingon-tanàna fotsiny ny milina fanodinana voatabia ao Ambalabako

Ambatondrazaka. Afaka mitelina voatabia 1 taonina isan’ora ny foto-drafitrasa koa raha mihodina adin’ny enina isan’andro dia mamoaka vokatra 1 taonina na 1,5 taonina isan’andro. Voatabia voapotsitra azo tehirizina, ketchup na saosy voatabia no azo amin’izany mba hanampiana ireo tantsaha mpamokatra hitahiry ny vokany. Mamokatra voatabia betsaka ny any Ambatondrazaka indrindra fa ny ao Ambohitsilaozana, Ambandrika, Feramanga avaratra, Ambohidava, Ambatosoratra sy ary Ambovory. Tafakatra 16. 500 taonina isan-taona ny vokatra voatabia any an-toerana nefa tsy hita izay hanaovana azy. Araka ny fangatahan’ny tantsaha dia natolotra an’Ambatondrazaka ny milina fanodinana voatabia anatin’ny Tetik’asa ODOF (One District One Factory) tamin’ny faran’ny herinandro teo.
Nangonin’i Pati
Legende : Tonga tany an-toerana nisantatra izany ny Ministry ny indostria sy ny varotra Edgard Razafindravaha !

 

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Toekarena

  • Bambou eto Madagasikara
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Seha-pihariana mbola malalaka saingy

  • Orinasa KRAOMA
  • Talata 22 Septambra 2026

Vonona hiara-miasa sy

  • Ralaiarimanana
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

«Mila tsy miankin-doha intsony i Madagasikara»

  • Fitantanana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

sy fampisambolam-panjakana

  • Kraomita malagasy
  • Talata 08 Septambra 2026

Misokatra amin'ny

Hijery ny tohiny
FTT