ODOF any AMBANJA

Havadika ho vovony ny kakao


  • Zoma 19 Jolay 2024

Manomboka ny fanodinana ny kakao ho vovony any amin’ny distrikan’Ambanja.

Milina mahatoto kakao 1 taonina isan’ora no anjaran’Ambanja amin’ilay tetik’asa ODOF. Omaly Alakamisy 18 Jolay no nomarihina tamin’ny fomba ofisialy tany an-toerana ny fanombohan’ny asa fanodinana ny kakao ho vonony. Nanokatra izany tany an-toerana ny Talen’ny Fampiroboroboana ny Fandraharahana (DPE) Irène Andriamaneho, lanonana natao tao Ambohimena Ambanja, toerana misy ny orinasa ODOF. Mahatratra 15.000 taonina isan-taona ny vokatra kakao any amin’ny distrikan’Ambanja. Manodidina ny 90 ireo kaoperativa mpamokatra kakao mitsangana ara-dalàna izay ahitana mpikambana an-jatony maro ary afaka mamatsy akora fototra ny milina ODOF ao Ambanja ka anisan’ireny ny Koperativa Sambirano Manongalaza (KOSAMA). Voafantina hitantana ny orinasa kosa ny mpandraharaha S2A Chocolaterie Ambanja. “Misy fanadihadiana ataon'ny MIC ijerena ny milina mifandraika amin’ny vokatra ka mety amin’ny faritra iray”, hoy ny DPE Irène Andriamaneho nanoloana ny tantsaha mpamokatra, kaoperativa ary ireo manampahefana isan-tsokajiny. Tsy tongatonga ho azy, araka izany ny nametrahana milina fanodinana kakao ho an’Ambanja raha tamin’ny fomba tsotra (artisanale) nanaovana izany teo aloha. Ambanja no renivohitry ny kakao. Marihina fa ny vokatra "cacao fin" malagasy dia mitazona ny laharana voalohany eran-tany. Izy no manana ny kalitao farany tsara indrindra manerana an’izao tontolo izao ary voamarina “BIO”. Miteraka asa sy mamelona fianakaviana maro ary manatsara ny fari-piainan’ny tantsaha ny fahazoana milina ODOF.
Pati
Legende : Nandritra ny lanonam-pitokanana omaly !
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Toekarena

  • Bambou eto Madagasikara
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Seha-pihariana mbola malalaka saingy

  • Orinasa KRAOMA
  • Talata 22 Septambra 2026

Vonona hiara-miasa sy

  • Ralaiarimanana
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

«Mila tsy miankin-doha intsony i Madagasikara»

  • Fitantanana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

sy fampisambolam-panjakana

  • Kraomita malagasy
  • Talata 08 Septambra 2026

Misokatra amin'ny

Hijery ny tohiny
FTT