Ny vehivavy sy ny fandraharahana

Maro ireo mpanohana efa namaly antson'ny FCEM


  • Alakamisy 13 Martsa 2025

Tongotra mby an-dakana ny an’ny “Groupement des femmes entrepreneurs de Madagascar”

na ny GFEM tarihin-dRazakaboana Fanja amin’ny fandraisana sy fikarakarana ilay hetsika “Le Comité Mondial des Femmes Chefs d’Entreprises” hotanterahina etsy amin’ny Novotel Ivandry ny datin’ny 28,29 ary 30 Aprily ho avy izao. Fantatra nandritra ny tafa nataon’ny mpikarakara ho an’ny mpanao gazety omaly fa efa betsaka ireo orinasa namaly ny antson’izy ireo . Toraka izany koa ireo mpanohana ofisialy ahitana ny AFG Bank Madagascar, ny BNI Madagasikara, ny Baobab Banque miaraka amin’ny Wefi Code. Ity farany izay orinasa miantsehatra manokana amin’ny resaka digitalisation ho an’ny fikirakirana ara-bola. Manamora ny fahazoan’ny vehivavy vola ihany koa izy no sady mandray anjara amin’ny fampahaleovantena ara-toekaren’ny vehivavy mpandraharaha. Ny Vondrona Eoropeana amin’ny alalan’ny Clim Invest kosa no mpiara-miasa akaiky amin’izy ireo izay manatevina hatrany ny asa sahanin’ny FCEM na fikambanan'ny vehivavy mpitantana orinasa amin’ny alalan’ny fanomezana vahaolana mahomby sy maharitra. Miantso ireo orinasa hafa mbola ho avy hifanome tanana amin’izy ireo araka izany Razakaboana Fanja. Mbola misokatra hatramin’ny 22 Aprily ho avy izao mantsy ny biraon’ny GFEM amin’ny fandraisana ny anaran’ireo vonona. Notsiahiviny manokana moa fa tombony lehibe ho an’i Madagasikara ny fandraisana ity hetsika ity izay mbola tsy voafaritra ny fotoana hampiantranoana azy eto amintsika indray. Toraka izany ireo firenena marobe avy any ivelany ho avy handray anjara no sady hifanakalo traikefa amin’ireo vehivavy mpandraharaha Malagasy ahitana an’i Allemagne, France, Egypte, Amerique Latine, Argentine….Tanjona amin’ity hetsika ity moa raha tsiahivina ny hanatsarana ny tontolon’ny fandraharahana sahanin’ny vehivavy eto Madagasikara. Tafiditra ao anatin’izany ny hahafahana mihoatra ireo kazarana olana sedrain’ny mpandraharaha ankehitriny hirosoana mankany amin’ny fahombiazana hatrany. Ny taona 2016 moa no niorina ny GFEM na ny « Groupement des femmes entrepreneurs de Madagascar », ahitana fikambanana miisa 14 misy vehivavy mpandraharaha hatrany amin’ny 300 isa. Tsy mijanona fotsiny amin’ny fampirobororoboana ny toe-karena anatin’i Madagasikara izy ireo fa mampahafantatra an’i Madagasikara eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena ihany koa.
Pati
Legende : Ireo mpikarakara nitafa tamin’ny mpanao gazety omaly ! 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Toekarena

  • Fampandrosoana ny firenena
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Mila fanavaozana goavana

  • Fitrandrahana harena
  • Talata 14 Aprily 2026

an-kibon’ny tany

  • Fampandrosoana an’i Madagasikara
  • Talata 07 Aprily 2026

Tsy afa-miala amin’ny fanovàna

  • Trosa ivelan'i Madagasikara
  • Talata 31 Martsa 2026

Fifanarahana 13 nitrosana

  • Fisitrahana ny FEC sy FRD
  • Talata 31 Martsa 2026

Tonga manao fitsirihana eto indray ny iraky ny FMI

  • Fanatsarana ny
  • Talata 24 Martsa 2026

rafitry ny vola eto Madagasikara

Hijery ny tohiny
FTT