Toekarena

Ny enti-manana no olana Tena sarotra ny manangana banky Malagasy


  • Alarobia 05 Oktobra 2022

Raha tsiahivina dia nanomboka nanokatra ny sampany na “agence” teto Antananarivo ny NIM na “Nouvelle institution de microfinance”, hoy ny tale jeneraliny, Harizaka Rakoto, ny volana jolay.

3 volana mahery kely teo izany izay, hoy izy. Sampana miisa 10 no voasokatray, izay nofarananay tao Sambava ny alakamisy teo. Hazakazaka ilay izy nefa tao anatin’ilay hoe fanenjehana fahatarana ihany koa noho ny fiandrasana fahazoan-dalana. 14 moa no heritreretina hatao amin’ity taona 2022 ity. Mananika ny 2500 any izao no isan’ny mpanjifa ato anatin’ity isan’ny banky izay marihina fa 100% malagasy ity. 350 eo no isan’ny findramam-bola efa navoaka. 15%n’ny mpanjifa izany izao no efa nisitraka findramam-bola. Tsy mora moa ny manao zavatra, indrindra, ho an’ny gasy kely vao miavotra toa anay izay tsy mba nahazo famatsiam-bola na ara-tekinika avy any ivelany na avy amin’ny fanjakana. Tena sarotra ny ao amin’ny enti-manana ary manjaitra atody araka ny fitenenana. Atao izay hijoroana ho mariky ny ezaka tiana ho tanterahana, hoy hatrany ny tenany.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Toekarena

  • Fampandrosoana ny firenena
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Mila fanavaozana goavana

  • Fitrandrahana harena
  • Talata 14 Aprily 2026

an-kibon’ny tany

  • Fampandrosoana an’i Madagasikara
  • Talata 07 Aprily 2026

Tsy afa-miala amin’ny fanovàna

  • Trosa ivelan'i Madagasikara
  • Talata 31 Martsa 2026

Fifanarahana 13 nitrosana

  • Fisitrahana ny FEC sy FRD
  • Talata 31 Martsa 2026

Tonga manao fitsirihana eto indray ny iraky ny FMI

  • Fanatsarana ny
  • Talata 24 Martsa 2026

rafitry ny vola eto Madagasikara

Hijery ny tohiny
FTT