Toekarena

Nosy Sainte Marie Tsy hisy mpizahantany hijery trozona amin’ity taona ity


  • Zoma 29 Mey 2020

Ahiana ho taona tsy mahavokatra ho an'ny fizahantany mihitsy ity taona ity ho an'ny Nosy Sainte Marie.

 

 

 

 Na dia efa manakaiky aza ny vanim-potoana fandalovan'ny trozona na ny baleine ao Sainte Marie izay manintona mpizahantany betsaka isan-taona dia tsy misy hetsika ara-pizahantany intsony mihitsy ao an-toerana nanomboka ny 20 martsa, fotoana niantombohan'ny fahamehana ara-pahasalamana. Manafoana ny famandrihan-toerany avokoa ireo mpizahantany nikasa hitsidika ity Nosy ity. Diso fanantenana tanteraka ireo avy ao amin'ny ofisim-paritry ny fizahantany ao Sainte Marie. Tsara dia tsara mantsy ny vokatra tamin'ny taona 2019 ary nanantena fivoarana 10 na 15% izy ireo tamin'ity taona ity. Tsy ny mpikarakara ihany no misedra olana fa anisan'ny mikaikaika koa ireo tompon'ny hotely fandraisam-bahiny izay tsy misy asa noho ny fikatonan'ny sidina sy ny sisin-tany.

Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Toekarena

  • Bambou eto Madagasikara
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Seha-pihariana mbola malalaka saingy

  • Orinasa KRAOMA
  • Talata 22 Septambra 2026

Vonona hiara-miasa sy

  • Ralaiarimanana
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

«Mila tsy miankin-doha intsony i Madagasikara»

  • Fitantanana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

sy fampisambolam-panjakana

  • Kraomita malagasy
  • Talata 08 Septambra 2026

Misokatra amin'ny

Hijery ny tohiny
FTT