Nidina ifotony nijery ny fizotran` ny fiomanana amin`ny fisokafana ho an`ny mpizahatany avy any ivelany ny minisitry ny fitaterana, ny fizahan-tany ary ny famantarana ny toetry ny andro, Joel Randrimandranto, omaly.
Nambarany moa fa noraisain` izao fanapahan-kevira izao noho ny fangatahana nataon`ireo mpandraharaha eto an toerana iray volana lasa izay. “Hisokatra amin`ny 01 oktobra izao ny sidina iraisam-pirenena ho an`ny zotra mankany Nosy Be ho an`ireo vahiny avy any ivelany. Nijery ny lamina sy ny zavatra efa niomanina nandritra izay iray volana izay izahay. Nitsidika ny seranam-piaramanidina ary hita amin`ny ankapobenay fa efa mipetrapetraka avokoa ny lamina na dia misy aza pitsopitsony kely tsy maintsy izay hahitsy. Tsy maintsy kosa miverina mijery ireo hahitsy ireo amin` ny alarobia izao. Hisy mihitsy ny “simulation” atao amin` ny fandraisana ireo mpizahan-tany”. Teboka telo no hiompanan` ny dian` ity minisitra ity: hijery ny lamina napetraka eo amin`ny lafiny ara-pahasalamana, ny fandriampahalemana ary ny fahavonon` ireo mpandraharaha handray ireo mpizahan-tany avy any ivelany.
Marigny A.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.