Toekarena

Nosy-Be Tonga ny mpizahatany an-jatony


  • Zoma 02 Oktobra 2020

Nigadona tao amin'ny seranam-piaramanidin’i Fascène Nosy Be omaly tamin'ny 2ora 30 ny fiaramanidin'ny kaompania Ethiopian Airlines izay nitondra mpizahantany hatrany amin’ny 156 avy any Addis Abeba.

 

 

Ity sidina nitondra mpizahantany sy mpandraharaha ity no voalohany 7 volana tao aorinan'ny fikatonan'ny sidina ho an'ny mpizahatany noho fisian'ny Covid-19 teto Madagasikara. Hisokatra amin’ny 29 oktobra koa ny sidina rezionaly any amin’ny seranam-piaramanidin’ Antsiranana, Toamasina, Taolagnaro, ary Toliara. Isan’ny antony nanosika ny fanjakana handray ity fanapahan-kevitra ity, na dia mbola ao anatin’ny hamehana ara-pahasalamana aza ny firenena, ny fanosehana ny sehatry ny fizahantany. Fepetra arahina moa ny fitiliana tao anatin’ny 72ora raha ela indrindra manamarina fa tsy voan’ny covid-19, ary mbola arahina fitiliana eo am-pahatongavana. Ampiasaina ireny tionelina famonoana katsetsitra ireny ho an’ny ankamaroan’ny seranam-piaramanidina. Ao anatin’ny fotoana mampirongatra ny valanaretina indray ny firenena maro, indrindra ny any Eoropa, ka ilaina hatrany ny manamafy ny fitandremana amin’ireo vahiny tonga aty Madagasikara.

Toky R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Toekarena

  • Bambou eto Madagasikara
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Seha-pihariana mbola malalaka saingy

  • Orinasa KRAOMA
  • Talata 22 Septambra 2026

Vonona hiara-miasa sy

  • Ralaiarimanana
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

«Mila tsy miankin-doha intsony i Madagasikara»

  • Fitantanana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

sy fampisambolam-panjakana

  • Kraomita malagasy
  • Talata 08 Septambra 2026

Misokatra amin'ny

Hijery ny tohiny
FTT