Toekarena

Nosy be “Efa niverina ny 80% n'ireo mpizahatany”


  • Alakamisy 01 Septambra 2022

Sahirana dia sahirana izahay tao Nosy be noho ny fandalovan’ny COVID 19 teo, hoy ny ben’ny tanana ao an-toerana, Vita Gilbert.

Miankina amin’ny mpizahatany, hoy izy, ny fiainana ao Nosy be. Nikatso nandritry ny 2 taona. Nisokatra izy teo anivon’ny taona 2020-2021 fa fotoana fohy. Miverina moa izy izao satria misokatra ny sisintany. Tsy maintsy miandalana izany fiverenan’ny mpizahantany izany satria na ny fiomanan’ny kaompania ana habakabaka aza dia mbola tsy mahafeno satria nisy mpandeha tsy voahomana hiatrika fitiliana, ohatra. Mangataka amin’Andriamanitra moa mba hiverenan’izany tanteraka. Heverina ho tonga izany mandra-pahatongan’ny faran’ny taona. Somary nanahirana ny mpizahantany ilay hoe miainga avy any izy manao fitiliana. Mandalo fifindrana mbola manao fitiliana. Tonga aty mbola manao fitiliana koa. Zava-dehibe ho anay noho izany ny fahatsapan’ny fitondram-panjakana izany ka dia nofoanana ny antsika. Malaza ho madio rahateo I Nosy be ary mbola nampianay izany fahadiovana izany. Raha atao isan-jato dia azo lazaina hoe efa niverina 80% ny mpizahatany ao Nosy be, hoy hatrany ny tenany.
J. Mirija
Legende: Ny ben’ny tanàna ao Nosy be 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Toekarena

  • Hetsika « MUSTIS »
  • Alakamisy 23 Aprily 2026

iraisan’i Madagasikara-Etazonia

  • Fampandrosoana ny firenena
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Mila fanavaozana goavana

  • Fitrandrahana harena
  • Talata 14 Aprily 2026

an-kibon’ny tany

  • Fampandrosoana an’i Madagasikara
  • Talata 07 Aprily 2026

Tsy afa-miala amin’ny fanovàna

  • Trosa ivelan'i Madagasikara
  • Talata 31 Martsa 2026

Fifanarahana 13 nitrosana

  • Fisitrahana ny FEC sy FRD
  • Talata 31 Martsa 2026

Tonga manao fitsirihana eto indray ny iraky ny FMI

Hijery ny tohiny
FTT