Toekarena

Nosy Be Bell Ville Naneho ny alahelony ireo mpisehatra ara-pizahantany


  • Alatsinainy 22 Novambra 2021

Nanao fihetsiketsehana nentiny nanehoana ny alahelony sy fahadisoam-panantenany ireo mpisehatra ara-pizahantany maro ao Nosy Be Hell Ville ny faran’ny herinandro teo.

 Tamin’ny alalan’ny lamba mainty misy sora-baventy no nanehoan’izy ireo azy. Anton’izany ny tsy fisian’ny sidina avy any ivelany ho tonga tao Nosy Be mba nantenaina hitondra mpizahatany, kanefa hatramin’ny 23 oktobra 2021 no nambaran’ny fanjakana fa nisokafan’ny sisintany amin’ireo Nosy manodidina, ary ny 6 novambra kosa nisokafan’ny sisintany amin’i Eorôpa. Mahatsiaro ho mangirifiry amin'ny fikatsoan’ny asa fihariana amin’ny tsy fisian’ny mpizahatany ny ankamaroany. Mivelona sy miasa amin'io sehatra io anefa ny fizahantany ny ankamaroan’ny olona. Mpanavakavaka ny fitondram-panjakana satria Antananarivo ihany no mahazo sidina avy ivelany, hoy ireo, mpisehatra ara-pizahantany, ka nahatonga azy ireo nanao izao hetsika izao mba hikatsaham-bahaolana. Tetsy ankilany, nidina teo amin’ny toerana nisian’ny fifamorian’ireo mpisehatra amin’ny fizahantany ny mpitandro ny filaminana mitambatra notarihin’ny solontenam-panjakana ao an-toerana, nanakana ny diabe nitety tanàna saika hataon’iretsy mpanao fihetsiketsehana. Manahirana ny zava-misy satria ireo olona mitaraina noho ny fikatsoan’ny asa fihariany, ny valanaretina ihany koa anefa mirongatra sy mitombo indray. Ny vahaolana dia ny mitandrina hatrany, saingy na tiana na tsy tiana, mbola sarotra ny hahafoana ity valaretina ity eto ambonin’ny tany. Tsy afaka ny hihiboka sy hampikatso ny fihariana mandavan-taona isika, fa ny fiarovana sy fahaizana miara-miaina aminy aloha no isan’ny vahaolana mafonja, ka isan’izany ny fanaovana vaksiny.
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Toekarena

  • Bambou eto Madagasikara
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Seha-pihariana mbola malalaka saingy

  • Orinasa KRAOMA
  • Talata 22 Septambra 2026

Vonona hiara-miasa sy

  • Ralaiarimanana
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

«Mila tsy miankin-doha intsony i Madagasikara»

  • Fitantanana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

sy fampisambolam-panjakana

  • Kraomita malagasy
  • Talata 08 Septambra 2026

Misokatra amin'ny

Hijery ny tohiny
FTT