Toekarena

Nosonganan’ny dolara ny vola “euro” Miova ny fifandanjan-kery maneran-tany


  • Alarobia 24 Aogositra 2022

Tsy mbola hita tao anatin’ny 20 taona, nitotongana ho ambanin’ny dolara ny sandan’ny euro iray. Miantraika eo amin’ny tsena ara-bola Eoropeanina ny krizy ara-angovo sy ny fijotsoana ara-toekarena mahazo ity Kaontinanta ity.

Ny alatsinainy teo, nidina ambanin’ny dolara ny vola euro, izay tsy nisy nanomboka ny taona 2002 fotoana nanomboka nampiasana sy nipariahany. Nisy fitotonganan’ny 0,96% ny sandan’ny 1 euro mitaha amin’ny dolara, ka lasa 0,9941 ny sandany ny alatsinainy tamin’ny 3ora sy sasany ora iraisam-pirenena. Miha mahazo toerana ny dolara, izay mibahan-toerana kokoa amin’ny tsenan’ny fanafarana entana iraisam-pirenena, indrindra fa ny filàna fototra toy ny solika izay ny dolara no mamaritra azy. Manamafy ny fidangan’ny vidim-piainana any Eoropa izay tena miantraika amin’ny mpanjifa sy ny orinasa io. Etsy andaniny, ny orinasa mpamatsy gazy goavana “Gazprom nampitandrina fa hisy fahatapahana ny famatsiana vokatry ny fikojakojana ny 31 aogositra-2 septambra 2022, izay vao mainka hanamafy ny tsy fahampiana any Eoropa, izay mifandramatra amin’I Rosia sy manasokajy ity firenen’I Poutine ity ho manao takalon’aina ara-angovo aminy. Miha midangana hatrany ny sandan’ny gazy any Eoropa, tafiakatra 295 euros ny Méggawattheure ny alatsinainy teo, izay efa manakaiky ny ambony indrindra eo amin’ny tantara hatramin’ny nisian’ny fanafihan’ny Rosianina an’I Ukraine. Manomboka mametra-panontaniana ny hatramin’ny fampahalalam-baovao any Eoropa hoe: ho afaka handoa faktiora ve ny Eoropeanina? Miha sahirana I Eoropa! Miantraika manerana izao tontolo izao ny ady any Ukraine, ary heverina fa hanova ny fifandanjan-kery “rapport des forces” eo amin’ny lafiny Jeopolitika maneran-tany. Izay firenena mahay manararaotra ny zava-misy no mety ho tafavoaka ara-toekarena. Aiza ho aiza amin’izany I Madagasikara? Ny mpitondra eto mpanilika lava, mivoy lava fa iraisan’izao tontolo izao ny krizy. Ny firenen-kafa toa an’i Rwanda anefa nanapa-kevitra ny hanao izay hahavitantena ara-tsakafo satria tsy rariny ary tsy azo ekena raha i Ukraine izay tsy misy mponina afatsy 44 tapitrisa no hamelona an’i Afrika izay misy mponina 1,4 miliara, hoy ny Filohany Paul Kagame. Manome toky izy fa tsy maintsy hahavita tena ara-tsakafo ny fireneny hatramin’ny 2023. Ny mpitondra Malagasy kosa mbola manamafy ny maha tompondakan’ny fampandrevorevoana vahoaka .

Toky R


 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Toekarena

  • Hetsika « MUSTIS »
  • Alakamisy 23 Aprily 2026

iraisan’i Madagasikara-Etazonia

  • Fampandrosoana ny firenena
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Mila fanavaozana goavana

  • Fitrandrahana harena
  • Talata 14 Aprily 2026

an-kibon’ny tany

  • Fampandrosoana an’i Madagasikara
  • Talata 07 Aprily 2026

Tsy afa-miala amin’ny fanovàna

  • Trosa ivelan'i Madagasikara
  • Talata 31 Martsa 2026

Fifanarahana 13 nitrosana

  • Fisitrahana ny FEC sy FRD
  • Talata 31 Martsa 2026

Tonga manao fitsirihana eto indray ny iraky ny FMI

Hijery ny tohiny
FTT