Nomerika - Orinasa

Nisokatra ny "Mada business linkage"


  • Zoma 15 Septambra 2023

Nampahafantarana tamin’ny fomba ofisialy omaly 14 septambra tetsy amin’ny Hotel Ibis Ankorondrano ny

fanombohan’ny tambajotra nomerika “Mada business linkage” anatin’ny Programme SME/ BLP, tetikasa natao ho an’ny mpandrahara sy orinasa ara-dalàna eto Madagasikara. Tanjona ny mba hifankahafantarana bebe kokoa sy hahafahan’ny orinasa mifandray, mivarotra,… Mikarakara sy miahy an’io ny BLP na Business Linkage Program izay vatsian’ny BAD na ny Banky Afrikanina momba ny fampandrosoana vola. Nanomboka ny volana may 2020, manodidina ny 1,4 tapitrisa dolara ny vola natokan’ny BAD amin’izany. Efa nisy ny fanofanana ireo orinasa madinika sy salantsalany na PME manodidina ny 300 nandritra ny 2 taona, nentina nanamafisana ny traikefa, ny làlam-barotra, ny famatsiam-bola,… Manomboka ofisialy kosa ny tambajotra nomerika “Mada linkage program” izay hita amin’ny tranonkala na “site web”, ka nisantarana ny fampahafantarana ny teto Antananarivo, hitohy any amin’ny faritra mandritra ny volana ny oktobra, toa an’I Taolagnaro, Toamasina, Antsiranana, Mahajanga, Antsirabe, Fianarantsoa, Toliara, iarahana miasa amin’ny Antenimieran’ny varotra sy ny EDBM (Economic Development Board of Madagascar),... Ny orinasa ara-dalàna na “enterprises formelles” rehetra dia afaka misitraka izany avokoa. Mifototra amin’ny fampifandraisana ny orinasa sy ny mpandraharaha na “B2B” (Business to business) io. “Ahafahan’ny orinasa Malagasy mahita làlam-barotra rehefa mandeha ny fampahafantarana samihafa ny momba azy sy ny zavatra ataony, ny zavatra vokariny, hahafahany manitatra ny ambaidain’ny fandraharahana ataony sy mifakalo traikefa amin’ny orinasa hafa, mahita ireo orinasa mety mifameno aminy toy ny famatsiana akora fototra,...”, araka ny fanazavan-dRtoa Sandrine Rakotovao Sandrine Rakotovao, consultante mikarakara ny SME Business Linkage Program. “Tao anatin’ny fahafantarana fa tsy ampy eto Madagasikara ny fampihaonana ireo orinasa no antony nanaovana ny programa. Amin’ny alalan’ilay tambajotra, mety hisy ny fitomboana sy fifamenoana seha-pihariana, mety afaka hanatsara ny azy , afaka hampitombo ny seha-pihariana ka hampivoatra ny toekarena”, hoy I Eddy Randriamanjatosoa Chargée de Promotion Projet Mada Business Linkage.
Toky R

 

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Toekarena

  • Bambou eto Madagasikara
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Seha-pihariana mbola malalaka saingy

  • Orinasa KRAOMA
  • Talata 22 Septambra 2026

Vonona hiara-miasa sy

  • Ralaiarimanana
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

«Mila tsy miankin-doha intsony i Madagasikara»

  • Fitantanana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

sy fampisambolam-panjakana

  • Kraomita malagasy
  • Talata 08 Septambra 2026

Misokatra amin'ny

Hijery ny tohiny
FTT