Toekarena

Noho ny Coronavirus Nihena hatrany amin’ny 80% ny fanjifana chocolat


  • Sabotsy 11 Aprily 2020

Roa andro mialohan’ny Paska dia mbola maro be ny Chocolat tsy lafo. Nanambara ny tompon’andraikitra ara-barotry ny Chocolaterie Robert eto Antananarivo,

 

 

 

Andrivola Andrianarizafy fa mahatratra 80 eo ho eo nefa ny mpanjifa mividy chocolat rehefa mananontanina fety tahaka izao. 80% ny mpanjifa very hoy izy na dia efa misy aza ny tolotra fanaterana ny chocolat isan-tokantrano ho an’izay manao kaomandy. Mazava ho azy fa noho ny toe-javamisy eto amin’ny firenena amin’izao fotoana izao no antony mampitotongana ny varotra chocolat fa olana ihany koa ny mbola tsy fahazaran’ny Malagasy mividy zavatra amin’ny alalan’ny fampiasana ny tambazotran-tserasera (achat en ligne). Ankoatra ny fanaovana ny vente en ligne dia efa naka bahana ela ihany ny chocolaterie ary tsy nampiaka-bidy mihitsy saingy tsy misy vokany izany hoy hatrany ny fanambarana.

Tsirinasolo

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Toekarena

  • Bambou eto Madagasikara
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Seha-pihariana mbola malalaka saingy

  • Orinasa KRAOMA
  • Talata 22 Septambra 2026

Vonona hiara-miasa sy

  • Ralaiarimanana
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

«Mila tsy miankin-doha intsony i Madagasikara»

  • Fitantanana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

sy fampisambolam-panjakana

  • Kraomita malagasy
  • Talata 08 Septambra 2026

Misokatra amin'ny

Hijery ny tohiny
FTT