Toy ny mahazatra hatrany isaky ny fiandohan’ny volana, dia niakatra 90Ar isaky litatra indray ny vidin-tsolika eto Madagasikara. Raha 3840Ar ny vidin’ny lasantsy teo aloha dia lasa 3930Ar indray nanomboka halina tamin’ny 12ora.
Ny gazoala izay 3190Ar teo aloha kosa lasa 3280Ar. Mazava ho azy ny mety hisian’ny fimenomenonan’ny mpitatitra, izay mety hitarika amin’ny fampiakarana saran-dalana indray. Azo antoka ihany koa fa hisondrotra hatrany ny vidim-piainana sy ny vidin’entana noho ny solika iankinan-javatra maro eto amintsika, ary sokajiana ho ain-dehiben’ny firenena mihitsy. Miraviravy tanana ny fanjakana, tsy manana vahaolana fa dia mizaka ny tsy eran’ny ainy ny vahoaka. Mbola famelomana ny Malagasy ve izao ? Efa mazava ny mety ho fialan-tsiny hoe vokatry ny fitotongan’ny sandan’ny ariary, izay vokatry ny tsy fahaiza-mitantan’ny mpitondra ihany koa. Taorian’ny fampidanganana ny vidin-jiro dia ny vidin-tsolika indray no niakatra. Tetsy an-kilany anefa, dia tsy nisy ny fisondrotan-karama. Re fa tsy hitsahatra ny hisondrotra io solika io, ka 600Ar isaky ny litatra no tanjona mba hahatongavana amin’ilay hoe vidin-tsolika tena izy na “verité de prix”. Mety hasondrotra tsikelikely. Raha atao ny kajikajy hoe misondrotra 90Ar isam-bolana, dia ho tratra io 600Ar io any amin’ny volana oktobra, izany hoe mety hahatratra hatrany amin’ny 4770Ar ny lasantsy ary 3820Ar ny gazoala. Tsy misy fanantenana ho an’ny Malagasy fa fidanganan’ny vidim-piainana andro aman’alina no mitatao aminy. Resaka vidin-tsolika sy vidin-jiro aza ity manahirana ny fanjakana HVM, kanefa dia mbola sahy mieboebo amin’ilay ambara vina hampandrosoana ny firenena amin’ny alalan’ny “fisandratana 2030”. Izany ve tsy mbola porofon’ny fampiesonana efa ho lava ?
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.