Toekarena

Nikela eto Madagasikara Nihem-bidy nefa nampidi-bola


  • Talata 10 Septambra 2019

Nahitana fitomboany 24,2 tapitrisa dolara ny vola nampidirin’ny fanondranana Nikela tao amin’ny kitapombolam-panjakana nandritra ny 3 volana voalohan’ity taona 2019 ity raha ny tatitra navoakan’ny banky foiben’i Madagasikara (BFM).

 

 Noho ny fitombon’ny tahan’ny fanondranana  no antony nampiakatra ny vola niditra. Nahitana fihenany anefa ny vidin’ny Nikela teo amin’ny sehatra iraisam-pirenena tamin’ity taona 2019 raha ampitahaina ny tamin’ny taona 2018. Nihena 11 373 dolara ny taona 2019 raha nahatratra hatramin’ny 13 347 tamin’ny 2018. Tsiahivina fa ny Nikela dia hampiasaina amin’ny fanamboarana fitaovam-pitaterana sy fitaovana amin’ny Inox. Ity farany no miantoka ny fanafarana ny roa ampahatelon’ny fanafarana Nikela maneran-tany. Nahatratra 68,3 tapitrisa dolara ny vola miditra tamin’ny fanondranana ho an’i Madagasikara tao anatin’ny 3 volana voalohan’ity taona 2019 ity, araka ny tatitra navoakan’ny BFM. 44,1 tapitrisa dolara monja ny telovolana voalohan’ny taona 2018. Nahitana fihenany 1,6 tapitrisa dolara indray ny vidin’ny kobalt eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena. Nahatratra 24,6 tapitrisa dolara mantsy ny nampidiriny teo amin’ny kitapom-bolam-panjakana ny telo volana voalohan’ny taona 2018 dia tsy nisy afa tsy 22,6 tapitrisa dolara nandritra ny 3 volana voalohan’ny taona 2019.

Tsirinasolo

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Toekarena

  • Hetsika « MUSTIS »
  • Alakamisy 23 Aprily 2026

iraisan’i Madagasikara-Etazonia

  • Fampandrosoana ny firenena
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Mila fanavaozana goavana

  • Fitrandrahana harena
  • Talata 14 Aprily 2026

an-kibon’ny tany

  • Fampandrosoana an’i Madagasikara
  • Talata 07 Aprily 2026

Tsy afa-miala amin’ny fanovàna

  • Trosa ivelan'i Madagasikara
  • Talata 31 Martsa 2026

Fifanarahana 13 nitrosana

  • Fisitrahana ny FEC sy FRD
  • Talata 31 Martsa 2026

Tonga manao fitsirihana eto indray ny iraky ny FMI

Hijery ny tohiny
FTT