Toekarena

Nidina ny vidin’ny « gaz » Mba rahoviana ny an’ny solika ?


  • Alatsinainy 11 Mey 2020

Nisy fidinanany ny entona fandrehitra mpiasa ao an-tokantrano na ny “gaz domestique” amin’izao fotoana izao, rehefa nisy fiakarany 5000Ar teo nandritra ny fihibohana.

 

 

 

 

Ho an’ny 9 kg izay 65 000 Ariary dia lasa 57 000 Ariary ; ny 12,5 kg : 90 000 Ariary lasa 79 000 Ariary; ny 39 kg 274 000 Ariary lasa 239 000 Ariary. Zava-dehibe ny fihenam-bidy amin’izao fahasahiranana izao. Andrasana raha mba ho tahaka izany ny vidin-tsolika, izay matetika vao miakatra ny vidiny amin’ny sehatra iraisam-pirenena dia miakatra manaraka an’izay ny eto Madagasikara. Rehefa midina kosa ny iraisam-pirenena, dia milaza ny mpandraharahan’ny solika fa tahiry tamin’ny vidiny lafo no hamidy amin’izao. Efa roa na telo volana izao no nitotongana tanteraka izany, ary nisy fotoana aza nidina 10 dolara ny iray barila, saingy ny an’i Madagasikara tsy miova izany io. Tsy afaka miditra an-tsehatra mihitsy ve ny fanjakana sa malemy tanteraka eo anatrehan’ireo mpandraharahan’ny solika?

Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Toekarena

  • Bambou eto Madagasikara
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Seha-pihariana mbola malalaka saingy

  • Orinasa KRAOMA
  • Talata 22 Septambra 2026

Vonona hiara-miasa sy

  • Ralaiarimanana
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

«Mila tsy miankin-doha intsony i Madagasikara»

  • Fitantanana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

sy fampisambolam-panjakana

  • Kraomita malagasy
  • Talata 08 Septambra 2026

Misokatra amin'ny

Hijery ny tohiny
FTT