Nichah Sandrof

Mila faharetana ny asa fandraharana eto amintsika


  • Alatsinainy 28 Jolay 2025

Betsaka ireo olona lasa mivelona amin'ny asa Fandraharahana eto amintsika indrindra fa ny tanora.

Tsy hataotao foana anefa izy io raha araka ny fanazavan-dRtoa Nichah Sandrof, mpandraharaha misehatra amin'ny tontolon'ny zaitra fa mitaky fepetra maro mba hahazoana ny fahombiazana. Ankoatra ny fanankinana ny asa amin' Andriamanitra dia nambarany fa tena ilaina ny fananana faharetana. Toraka izany koa ny fahaiza-mitantana. Ho azy ireo manokana dia anisan'ny mampiavaka azy ny fanomezana mihoatra ny mpiasa amin'ny fanatanterahana ilay tenin' Andriamanitra manao hoe : izay nahazo maimaim-poana dia tokony hizara maimaim-poana. Mbola anisan'ny tanjona hotratrarin'izy mivady araka izany ny hampitombo isa hatrany ireo ankohonana Malagasy mivelona amin'ny orinasa tantanany. Olana goavana mbola sedrain'ireo mpandraharaha eto amintsika toa azy moa raha ny nambarany hatrany ny resaka herinaratra tapa-dava sy ny olana amin'ny Fanjakana rehefa manomboka mandroso sy mivoatra ilay orinasa.
Pati
Légende : Rtoa NIchah Sandrof mivady miezaka manampy ny tokantrano Malagasy amin'ny asa fihariana !
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Toekarena

  • Bambou eto Madagasikara
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Seha-pihariana mbola malalaka saingy

  • Orinasa KRAOMA
  • Talata 22 Septambra 2026

Vonona hiara-miasa sy

  • Ralaiarimanana
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

«Mila tsy miankin-doha intsony i Madagasikara»

  • Fitantanana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

sy fampisambolam-panjakana

  • Kraomita malagasy
  • Talata 08 Septambra 2026

Misokatra amin'ny

Hijery ny tohiny
FTT