Zara raha misy 10 amin’ireo orinasa manodidina ny 300 niantsoroka ny asa fanamboarana fanavaozana làlana, na koa ko ireo fotodrafitrasam-panjakana amin’ny alalan’ny Minisiteran’ny asa vaventy hatramin’izao no nahazo ny
volany. Tao anatin’ny volana maro ny fitakiana, saingy hatramin’izao mbola tsy nahazo ny volany avy amin’ny Fanjakana kanefa namoaka vola teo am-pela-tanany. Manodidina ny 50 miliara Ar eo moa no voalaza fa volan’ireo orinasa tsy voaloa. Efa nilaza ny Minisitry ny vola Rtoa Rindra Hasimbelo Rabarinirinarison fa manam-bola ny Fanjakana, vao ny 38% amin’ny “engagement budgetaire 2021” no vita. Ny 08 novambra, nanao avo vava ny Minisitry ny asa vaventy Atoa Gerry Hatrefindrazana fa “manam-bola ny FR (Fond Routier), ny vola ao anaty kaontin’ny FR ao amin’ny tahirimbolam-panjakana dia 549 miliara Ar, ka 56 miliara Ar fotsiny amin’io, izay manome 10% ny amin’io fotsiny no tokony haloa amin’ireny orinasa ireny. Nisy ny fitiliana voatery tsy maintsy natao, ny antony, dia nanajanonana ny fandoavana dia lazaina mazava tsara fa tsy resaka ara-bola”, hoy izy. Tsy ampy ny fitiliana, nandeha ny “inspection”, rehefa natao ny fitiliana in-telo miantoana, nandeha ny fitsirihana, mbola nomena andraikitra nandeha ihany koa ny fitsirihan’ny governora hanaraha-maso ny asa tamin’ny FR, araka ny fanazavana tamin’izany. Nambara fa hisy komity hatsangana ny faran’io herinandro nitenenany io, hidina any an-toerana miaraka amin’ny orinasa, horesahina hoe: mbola vonona hamita ny asa ve? Rehefa mahafa-po araka ny ny nifanarahana izay vao aloa ny vola, raha ny fanazavana. Ireo 10 ve izany no nahafeno ny fepetra sy nahafa-po ny asany ? Hatramin’izao dia mitoetra hatrany ilay fomba famaly mahazatra ny mpitondra hoe: « efa mandeha ny fanadihadiana » ho an’ny asan’ireo sasany ?
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.