Toekarena

Mponin'i La Réunion kely 2000 Ar isan'andro no iveloman'ny tokantrano iray


  • Alakamisy 06 Aprily 2017

Anisan’ny tanŕna kely iray tena betsaka olona sahirana ara-pivelomana ny etsy La Réunion kely, Ampefiloha.

 Tsy misakafo in-telo isan’andro  intsony  ny ankamaroan’ireo mponina ao izay efa manodidina ny 700 ankehitriny fa ny hariva ihany vao mahita. 2.000 Ar isan’andro isan-tokantrano no hivelomany ka  amin’ny alalan’ny sasa lamba na tsaka rano no hahazoany vola ho an’ny vehivavy, mivarobarotra sy miandry dabam-pako hanarian’ny manan-katao fako kosa ny an’ireo lehilahy. Eo an-danin’izay, efa tafakatra 600 Ar ny kapoakam-bary. Dimy  mianaka isan-tokantrano anefa  izy ireo raha kely indrindra ary saika fianakaviana very asa sy avy lavitra avokoa ny ankamaroany. Tsy misy mianatra ny ankamaroan’ireo ankizy madinika fa mangataka ankoatra ireo efa noraisin-dry masera hatrany am-piandohana. Tsiahivina fa 5.000 Ar raha betsaka indrindra no vola hitan’ny tokantrano iray etsy La Réunion kely isan’andro saingy tsy maintsy tsinjaraina izay azo, hoy Rabodo, renim-pianakaviana iray monina eny an-toerana hitsinjovana ny ampitso. Raha vao avy ny orana dia tsy misy manakarama izy ireo sady tsy mandeha ihany koa ny tsena.

Pati

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Toekarena

  • Bambou eto Madagasikara
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Seha-pihariana mbola malalaka saingy

  • Orinasa KRAOMA
  • Talata 22 Septambra 2026

Vonona hiara-miasa sy

  • Ralaiarimanana
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

«Mila tsy miankin-doha intsony i Madagasikara»

  • Fitantanana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

sy fampisambolam-panjakana

  • Kraomita malagasy
  • Talata 08 Septambra 2026

Misokatra amin'ny

Hijery ny tohiny
FTT