Toekarena

Mpizahatany tonga eto Madagasikara Nihena 15 % noho ny pesta


  • Alatsinainy 30 Oktobra 2017

Nihena 10 ka hatramin’ny 15 % ireo mpizahatany tonga nitsidika antsika teto Madagasikara hatramin’ny nisian’ny pesta, hoy ny tompon’andraikitra iray eo anivon’ny ofisim-pirenena momba ny fizahantany na ny ONTM.

Notsindriany fa miezaka mametraka paikady  avokoa ankehitriny ireo mpandraharaha mivelona amin’ity sehatra iray ity mba hamerenana amin’ny laoniny ny sehatry ny fizahantany eto amintsika. Manana ny azy manokana ihany koa ny ofisim-pirenena momba ny fizahantany. Anisan’ny hetsika sy paikady hotanterahin’izy ireo ato ho ato ny famoahana horonantsary fanadihadiana hataona  mpizahatany vahiny hijoro vavolombelona momba ny fizahantany nataony teto Madagasikara na dia teo aza ny aretina pesta. Ezahina haparitaka amina tambajotran-tserasera maro samihafa ny fijoroana vavolombelona tsy hampatahotra ny hafa. Ho an’ireo mpandraharaha misehatra amin’ny fizahantany sasany eto amintsika dia tsiahivina fa efa  mahatratra 35 % ny tahan’ny fanafoanana ny famandrihan-toerana efa notanterahin’izy ireny. Ho an’ireo nosy madinika sasany manodidina antsika toa an’i Seychelles indray dia efa  voasakan’ny tompon’andraikitra tsy hankaty Madagasikara avokoa ireo mponina ao aminy raha misy amin’ireo nosy sasany  mihitsy no tsy mamela antsika teratany Malagasy hiditra any amin’ny fireneny.

Pati

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Toekarena

  • Bambou eto Madagasikara
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Seha-pihariana mbola malalaka saingy

  • Orinasa KRAOMA
  • Talata 22 Septambra 2026

Vonona hiara-miasa sy

  • Ralaiarimanana
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

«Mila tsy miankin-doha intsony i Madagasikara»

  • Fitantanana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

sy fampisambolam-panjakana

  • Kraomita malagasy
  • Talata 08 Septambra 2026

Misokatra amin'ny

Hijery ny tohiny
FTT