Toekarena

Mpitrandraka niala teto Madagasikara Tsy resy lalahtra intsony ny hampiasa vola eto


  • Zoma 09 Jolay 2021

Ao anatin’ny ivon’ny fankalazana ny faha 45 taonan’ny OMNIS isika ankehitriny, hoy ny minisitry ny harena an-kibon’ny tany sy ny loharanon-karena stratejika, Fidiniavo Ravokatra, nanotrona izany teny Analakely omaly.

 

 Hitantsika ny anjara toeran’izany eo amin’ny resaka fikarohana sy fitrandrahana solika sy ny akoran’afo, hoy izy. Ny vokatra hita hatreto dia ny fananan’I Madagasikara tahirin-kevitra tao anatin’ny asa fikarohana nataon’ireo orinasa nifandimby niara-niasa tamin’ny OMNIS. Andraikitry ny OMNIS ny mampahafantatra izay harenan’I Madagasikara eo amin’ny sehatry ny solika sy akoran’afo izay. Mizotra ho amin’ny fanatsarana izany miaraka amin’ny fitondram-panjakana Malagasy izy ankehitriny hisarihana ireo orinasa miasa ao anatin’izany solika izany. Ny asa faharoa izay ho tanterahany heverina fa zava-dehibe koa dia ny fanatanterahana ny fangatahana sy fanomanana ireo antotan-kevitra na antotam-panadihadiana ilaina hanitarana ny rambon-tany ambanin-dranomasina na "plaque continentale sud" izay goavana ho antsika Malagasy ny ahazoana izany ary amintsika miteny izao no mandeha izany fandrefesana any ambanin-dranomasina izany. 3 tonta no sehatra mila mifampiresaka mialohan’ny fitrandrahana dia ny fanjakana, ny mpampiasa vola, ny vahoaka ifotony mba hahitana marimaritra iraisana. Ny nahatonga ny mpitrandraka rehetra teo niala daholo dia tsy miankina amin’ny fanjakana samirery. Misy ny tontolon’ny fampiasam-bola eto Madagasikara mikasika ny hoe manao ahoana ny resaka hetra sy haba fa anjaran’ny ireo mampiasa vola no manadihady ny risika mety iainany ao anatin’ny izany ka ankapobeny rehefa mijery isika fanjakana hoe tokony ho matomatotra ny fampiasam-bola na tokony hirosoana lalindalina ny asa fikarohana dia mety heveriny ho tsy dia mety aminy intsony ilay fampiasam-bola eto Madagasikara ka antony nialany, hoy hatrany ny minisitra.
J. Mirija

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Toekarena

  • Bambou eto Madagasikara
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Seha-pihariana mbola malalaka saingy

  • Orinasa KRAOMA
  • Talata 22 Septambra 2026

Vonona hiara-miasa sy

  • Ralaiarimanana
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

«Mila tsy miankin-doha intsony i Madagasikara»

  • Fitantanana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

sy fampisambolam-panjakana

  • Kraomita malagasy
  • Talata 08 Septambra 2026

Misokatra amin'ny

Hijery ny tohiny
FTT