Toekarena

Mpitrandraka harena an-kibon’ny tany Tsy tokony mbola hokitikitihana ny “code minier”


  • Zoma 13 Novambra 2020

Mitaky ny hanajana ny lalàna misy ankehitriny momba ny fitrandrahana harena an-kibon’ny tany ireo mpisehatra amin’izany, raha ny fitarainan’izy ireo omaly tetsy amin’ny tranoben’ny varotra sy indostria Antaninarenina omaly.

 Eo ny lalana 2005-021 sy ny tamin’ny 2007 miaraka amin’ny didy tokony hanatanterahana izany, raha ny nambaran’izy ireo hatrany. Tsy misy antony mbola hikitihana ny lalàna momba ny harena an-kibon’ny tany, io ilay « code minier »  mihitsy aloha, hoy izy ireo, hatreto. Tsy mety raha naotina minisitera no manitsakitsaka ny sata mifehy ny fifandraisana na “code de communication”. Tsy fantatray ny antony mampahazo vahana ny sehatra tsy ara-dalàna ato anatin’ity tontolo misy anay ity mitaha amin’ny ara-dalàna, hoy hatrany izy ireo, izay manentana ny Malagasy izahay tsy ho kivy. Araka ny tarehimarika nampahafantarin’ireto mpisehatra amin’ny harena an-kibon’ny tany ireto moa dia mitentina hatrany amin’ny 10 miliara dolara ny famatsiam-bola mivantana any ivelany miodina ao anatin’izay harena an-kibon’ny tany eto amintsika izay. 5000 isa mahery hatreto ireo fahazoan-dalana hitratranga nivoaka. 229,4 miliara ariary no naloa tamin’ny fanjakana. Miisa 2510 eo ireo orinasa Malagasy misitraka ny tombontsoa azo avy amin’ny fitrandrahana. 13,97 miliara ariary ny tamberimbidy sy risitorina azo avy aminy ary miteraka asa mivantana sy tsy mivantana ary an-tselika miisa 27.000 ity sehatra iray ity, raha ny fampahafantarana hatrany.

J. Mirija

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Toekarena

  • Bambou eto Madagasikara
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Seha-pihariana mbola malalaka saingy

  • Orinasa KRAOMA
  • Talata 22 Septambra 2026

Vonona hiara-miasa sy

  • Ralaiarimanana
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

«Mila tsy miankin-doha intsony i Madagasikara»

  • Fitantanana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

sy fampisambolam-panjakana

  • Kraomita malagasy
  • Talata 08 Septambra 2026

Misokatra amin'ny

Hijery ny tohiny
FTT