Toekarena

Mpitantana tobin-tsolika “Ambany loatra ny tombombarotray”


  • Zoma 24 Mey 2019

Nanatanteraka fivoriambe tetsy amin’ny Hotely Solimotel Anosy ireo mpitantana tobin-tsolika omaly alakamisy 23 mey. Anisan’izany ireo mpitantana ny orinasa mpaninjara solika Galana, Total-Jovena ary shell eran’i Madagasikara.

 

 

 

Nilaza izy ireo fa mandalo fahasahiranana lalina ankehitriny ny mpitantana tobin-tsolika rehetra, indrindra eo amin’ny lafiny ara-bola sy ny tsy fandriampahalemana ary anisan’izany ny fandrobana sy ny famoizana ain’olona. Nitaraina ireo mpandraharaha ara-tsolika ireto ary nilaza fa zara raha misy 2% ny tombombarotra azon’izy ireo. Ny kaompania kosa anefa dia mandray vola be satria 50 hatramin’ny 52Ariary izaky ny litatra no alain’izy ireo.  Izany no anton’ny fivoriana natao omaly mba hanamafisana sy hanavaozana indray ny fomba fiasan’ny GPGLSS (Groupement Professionnel des Gérants Libres de Station-Service). Napetraka tamin’ity fotoana ity ihany koa ireo  tompon’andraikitra matihanina ho mpanatanteraka sy hiasa amin’ny fiarovana ny tombontsoa iombonan’ny mpitantana tobin-tsolika. Nentanina nandritra ny fivoriana ihany koa ny fanamafisana sy ny fanaovana antso avo ho an’ireo rehetra voakasika mivantana na an-kolaka amin’ny raharaha fandraharahana ara-tsolika mba hijery haingana ny famaritana ny vidin-tsolika ho tombontsoan’ny rehetra. Mahakasika ny tenin’ny filoham-pirenena ny amin’ny tsy maintsy hampidinana ny vidin-tsolika dia nanambara izy ireo fa miandry fatratra izany tahaka ny olom-pirenena rehetra.

 

Tsirinasolo

 

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Toekarena

  • Bambou eto Madagasikara
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Seha-pihariana mbola malalaka saingy

  • Orinasa KRAOMA
  • Talata 22 Septambra 2026

Vonona hiara-miasa sy

  • Ralaiarimanana
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

«Mila tsy miankin-doha intsony i Madagasikara»

  • Fitantanana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

sy fampisambolam-panjakana

  • Kraomita malagasy
  • Talata 08 Septambra 2026

Misokatra amin'ny

Hijery ny tohiny
FTT